Fandaharan'asa Mifampitsimbina

Nitohy tetsy Antsonjombe ny fandaharan'asa Mifampitsimbina

Notohizan'ny Filoha tao amin’ny boriboritany fahadimy ny fandaharan'asa Mifampitsimbina ho fanohanana ireo tokantrano marefo amin'izao faran'ny taona izao. Tokantrano miisa 3600 no nisitraka izany tao amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny alakamisy 05 desambra 2024.
Toy ny omaly 04 desambra tetsy Ampefiloha, dia vary iray gony 50kg sy PPN no natolotra isaky ny tokantrano misitraka izany.
Nambaran'ny Filoha nandritra izany fizarana izany fa tiako ianareo hiaina ny fety am-pilaminana, anaty hafaliana ka mba tsy mitebiteby amin’ny hatokona sy ny hatao hampatsiro ny hanina.
Teny an-toerana niaraka nizara hafaliana tamin'ny Filoha ny Governoran'Analamanga satria dia teto anivon'Analamanga no nanatanterahana izany androany, hoy izy.
Tsy hadinon'ny Filoha ny nanentana ny olona hifidy amin'izao ankatoky ny fifidianana ben'ny tanàna izao ka dia niantso ny olom-pirenena rehetra hanefa ny adidiny ny tenany ho tonga hifidy ny 11 desambra 2024 ho avy izao.

05/12/24