Amin'izao ankatoky ny fetin'ny Noely 2024 sy ny Taom-baovao 2025 izao dia nisy ny fifampizarana hafaliana sy nofon-kena mitam-pihavanana tao amin'ny Faritra Analamanga niarahana tamin'ny mpiara-miasa rehetra eto anivon'ny Faritra Analamanga.
Etoana ny tenako dia misaotra antsika mpiasa rehetra tamin'ireo asa maro notontosaintsika nandritra ny taona ary mirary soa ho antsika rehetra, hoy ny Governora Hery Rasoamaromaka.