Fifampiarahabana tratry ny taona 2025
Ny alatsinainy maraina, 13 janoary 2025, taorian'ny fananganan-tsaina no niarahaban'ny mpiara-miasa rehetra ny Governora Hery Rasoamaromaka noho izao fahatrarana ny taombaovao 2025 izao. Tonga teo Ambohidahy avokoa ireo mpiara-miasa rehetra avy amin'ny fitaleavana sy sampandraharaham-paritra samihafa. Nisy araka izany ny fanolorana fanomezana ho solombodiakoho avy amin'izy ireo tsirairay avy. Nitondra ny teny fiarahabana sy firariantsoa avy amin'ny mpiara-miasa Andriamatoa Ravomanana Vincent.
Ny Governora Hery Rasoamaromaka kosa raha nandray fitenenana dia nisaotra ny mpiara-miasa rehetra amin'ny fiaraha-miasa mendrika nasehon'izy ireo hatrizay. Nohamafisiny tamin'izany ihany koa ny vinan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa ho taonan'ny asa ity taona 2025 ity. Hiara-hiasa isika rehetra hoy izy, ary hiasa mafy ho an'ny Faritra sy ny Firenena.
Analamanga tsy maintsy mandroso.
Analamanga miasa ary hiasa ho an'ny rehetra.