FAMPIVOARANA NY FAMOKARANA

Fikaonandoha nasionaly ny 23 sy 24 janoary 2024, CCI Ivato
Fanamby napetraky ny Filoha Andry Rajoelina ary tsy maintsy tratra ny tanjona ho an’ny fampivoarana ny famokarana.
Io no nambarany nandritry ny fanokafana ny fikaonandoha nasionaly ho fampivoarana ny famokarana eto Madagasikara, izay tanterahina mandritry ny 2 andro, ny 23- 24 janoary 2024, eny amin’ny CCI Ivato. 
Tafiditra anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana Malagasy ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny fanamafisana ny fahatsaran’ireo vokatra malagasy ho afaka hifaninana eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena ary indrindra hanome antoka ny vahoaka malagasy hisitraka sakafo mahavelona.
Fanohitra amin'ny fampandrosoana ny Firenena ny fambolena satria manome asa ho an'ny tantsaha sy ny eny ambanivohitra ary indrindra miteraka ambim-bava ho an'ny firenena eo amin'ny vokatra satria ho ampy ny filana anatiny ato anatin'ny Firenena no afaka hanondrana ihany koa isika.
Izany rehetra izany dia miteraka fitomboan'ny vola vahiny satria hihena ny fanafarana vokatra toy ny vary ka mitondra fahamarinan-toerana eo amin'ny volan-tsika Malagasy raha mitaha amin'ny vola vahiny.
Nanotrona ny Filoham-pirenena izay nanokatra ity fikaonan-doha Nasionaly ity tetsy Ivato ny Governoran'Analamanga amin'ny maha tato Analamanga ny nanaovana ny fivoriana.