Kaominina Amabohimanga Rova

Notanterahina ny 30 janoary 2025 maraina teny amin'ny Lapan'ny tanana tetsy Ambohimanga Rova ny lanonana fametrahana amin'ny fomba ofisialy an' Andriamatoa RAJAONARIVO Sedera Günther izay Ben'ny Tanàna voafidy hitondra ao an-toerana.
Olo-manan-kaja maro eto amin'ny Firenena izay notarihin'ny Filohan'ny Antenimieran-doholona
no tonga nitarika izany fotoana izany ary teny an-toerana ihany koa ny Governoran'Analamanga satria Ambohimanga Rova, distrikan'Antananarivo Avaradrano dia tafiditra ao anatin'ny Faritra Analamanga.
Ny Ministry ny Asa, ny fampananan'asa sy ny asam-panjakana ary ny Minisitra delege misahana ny Zandarimariampirenena no nametraka ny samboady izay manamarika ny fandraisany ny asa maha ben'ny tanana azy ao an-toerana.
Ny Faritra Analamanga dia mbola maneho hatrany ny fahavononany hanampy ireo Kaomina satria araka ny toromariky ny Filoha Andry Rajoelina dia hiala sy hipaka eny amin'ny Kaominina ny fampandrosoana ka tsy hisy intsony ny kaominina hadino, hoy ny Governora.

30/01/25