Kaominina Andoharanofotsy

Notanterahina ny 30 janoary 2025 maraina teny Andoharanofotsy ny lanonana fametrahana amin'ny fomba ofisialy an' Andriamatoa Rakotoarimanana Henintsoa, antsoina hoe Tôta izay Ben'ny Tanàna voafidy fanindroany indray hitondra ny kaominina Andoharanofotsy, distrikan'Antananarivo Atsimondrano.
Natomboka tamin'ny fotoam-pivavahana tao amin'ny FJKM Malaza Gileada izany, ary niafara tamin'ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny mpisolo toerana teo aloha izay narahana fanolorana ny samboady teo amin'ny Lapan'ny Tanàna.
Niaraka nanotrona izany fotoana izany tamin'ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, ny Ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena ny Governoran'Analamanga ary ireo olo manan-kaja maro be sy ny vahoaka marobe teo an-toerana
Ny Faritra Analamanga dia vonona hatrany ny hanampy ny Kaomina Andoharanofotsy toy ny nataony teo aloha sy ireo kaomina hafa ato Analamanga ary nirary azy hahavita soa ny adidy napetraky ny vahoaka taminy ny Governora.
Madagasikara tsy maintsy mandroso.

28/01/25