07 febroary 2009

7 Febroary 2009 - 7 Febroary 2025
Tsaroana androany indray ilay daty tsy fanadino teto amin'ny tantaran'ny Firenena.
Andro nanjombona, 16 taona lasa izay dia nanakoako teto Ambohitsirohitra ny feom-basy sy ny kiakiakan'ireo Malagasy maro nitomany. 
Tonga tety an-toerana izy ireo mba hitaky ny fahamarinana sy fialana amin'ny jadona saingy tifitra variraraka no nasetry izany.
Maro no maty ary nikoriana ny rà.
Toy ny isan-taona dia tsy avelan'ireo mpiara-mitolona mandalo izany daty izany fa tonga maro izy ireo nanatitra fehezam-boninkazo teto amin'ny tsangambato ho fahatsiarovana  ireo mahery fo.
Amin'ny maha mpitolon'ny taona 2009 azy dia tonga teny Ambohitsirohitra ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka nitarika ity fotoam-pahatsiarovana manjombona ity.

07/02/25