Voin-kava-mahatratra

Fiakaran'ny rano manodidina an'Antananarivo
Na dia alahady sy manorana aza ny andro dia tsy nataonay sakana izany hitondrana izay tsirambin'ny tanana, manoloana ny fahavoazan'ny mpiray tanindrazana, hoy ny Governora Hery Rasoamaromaka raha nitsidika ireo tra-boina vokatry ny fiakaran'ny rano teto Antananarivo, taorian'ny rotsakorana nisesisesy.
Androany tolakandro, 16 febroary 2025, tokoa mantsy dia nijery ifotony, nanaramaso ary nitondra fanampiana ho an'ireo traboina vokatry ny fiakaran'ny rano tetsy Anosizato Ambanimaso, tetsy amin'ny CEG Faliarivo Ampitatafika ary EPP Loharanombato Ambavahaditokana ny Governora sy Ramatoa Minisitry ny Mponina, notronin'ireo solombavambahoaka sy ben'ny tanàna teny an- toerana. Ao anatin'ny sarotra toy izao tokoa no ahitana ny tena namana ary dia miasa, hiasa ho antsika hatrany ny fitondram-panjakana, mifanampy isika, ary tsy hanavahana izany fa hanasoa ny vahoaka malagasy rehetra no antom-pisian'ny Mpitondra, hoy hatrany ny Governora.

16/02/25