Jeneraly 35 natolotra ambany faneva

Miaro hatrany ny hasin'ny tanindrazana
Général de Brigade 22 vaovao, sy Général de Division 13 vaovao no napetraka ambany faneva ny 17 febroary 2025 nandritra ny lanonana miaramila teny Ivato.
Nandritra izany fotoana izany, ny hafatra goavana napetraky ny Filoham-pirenena ho an'ireto manamboninahitra vaovao ireto dia fanajana ny hasin'ny tanindrazana, ary tamin'izany no nilazany fa iray tsy mivaky ny foloalindahy, miray fo ary tsy azo zaraina. 
Nandritry ny lahateniny teny an-toerana dia nanamafy ny avy amin'ny tafika fa tsy hanaiky ny fampisaraham-bazana sy ny fanakorontanana ny mpitandro ny filaminana fa hijoro hitandro toy ny anakandriamaso ny firaisam-pirenena sy ny maha-tandroka aron'ny vozona azy.
Ny Faritra Analamanga izay tarihin'ny Governora Hery rasoamaromaka dia miarahaba ireto manamboninahitra jeneraly ireto ary vonona ny hiara-hiasa amin'izy ireo sy ireo mpitandro ny filaminana rehetra mba ho fitandroana ny filaminana hanatanterahana ny asa fampandrosoana eto amin'ny Firenena.