Lalana rarivato Tsarasaotra-Antsofinondry

Faritra Analamanga Miasa ho anao
Nasiam-panamboarana ny lalana rarivato Tsarasaotra-Antsofinondry
Misy ampahan-dalana nihotsaka tamin'iny lalana pavé mampitohy an'i Tsarasaotra sy Antsofonondry iny noho ny fiakaran'ny rano. Tsy niandry ela ny tao amin' ny Faritra Analamanga fa nandefa ireo teknisianina hanao ny asa fanamafisana io sisindalana simba io sy hanamboatra ny lalana.
Marihana fa lalana isan'ny mamaha ny olan'ny fitohanan'ny fifamoivoizana eny Avaradrano ity lalana ity ka tsy azo atao ambanin-javatra ny fikojana azy.