Fambolen-kazo Analamanga

Natao teny Masindray Avaradrano 27 febroary 2025

Araka ny toromariky ny Filoha Andry Rajoelina dia nanatanteraka ny fambolen-kazo teny Masindray, distrikan'Antananarivo Avaradrano ny Faritra Analamanga.
Teny filamatra mandritra ity taompambolen-kazo 2025 ity ny hoe : « Ny Ala, antoky ny Rano sy ny Angovo ».
Tanjon'ny Fitondram-panjakana ny handrakofana ala an'i Madagasikara ka tonga maro sy narisika ny mpiasa rehetra avy ato amin'ny Faritra Analamanga nanatanteraka ny adidy ho an'ny Tanindrazana, notronin'ireo mpampianatra sy mpianatra ao amin'ny Lycée Masindray ary ireo zandary sy fokonolona avy eny an-toerana notarihin'ny Ben'ny tanàna. Tonga teny ihany koa ireo talem-paritra isan-tsokajiny ato amin'ny Faritra Analamanga.
Nanentana ny Malagasy rehetra samy hamboly hazo any amin'ny toerana rehetra misy azy ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Analamanga raha nandray fitenenana, hanatanterahana ilay tanjona handrakotra ala indray an'i Madagasikara sy hamerina ho maitso ity Nosy malalantsika ity.

27/02/25