TALATA 10 NOVAMBRA 2020
ANJOZOROBE.
Ny Alakamisy 22 Oktobra lasa teo no nidina taty Anjozorobe ny Governoran'ny Faritra Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy. Nisy ny tafa sy dinika nifanaovana tamin'ireo Ben'ny tanana 19 ato amin'ny Distrikan'Anjozorobe izay nanehoan'izy ireo ny fangatahany ny fitaovana entina manantanterahana ny fampandrosoana.
19 andro aty aoriana dia naniraka ny Governora sy ireo mpiar-miasa aminy ny Filoha Andry RAJOELINA nanatitra manontolo ireo fitaovana ireo ka toy izao avy izany:
Fanampin'izany dia hisy ihany koa ny "engins" hapetraka aty an-toerana hanamboarana ireo lalana mampifandray ny kaominina ary hisy koa ny solika homena amin'izany.
Tsy nohadinoina ihany koa anefa ny mpianatra satria niara-dia tamin'ny Governora ny SG ComNat Unesco Manda RAVELOJAONA izay zanaky ny Distrikta rahateo ka nisy ny fanolorana "Rakibolana", boky fianarana ary cahier ho azy ireo.
Fisaorana moa no natolotr'ireo Ben'ny tanàna ireo ary nambaran'izy ireo fa tsy mbola nisy fitondrana haingam-piasa toy ity sady tsy manavaka antoko-politika.
Ny Governoran'ny Faritra Analamanga dia manamafy hatrany fa ny fampandrosoana ny Firenena dia miainga avy any ifotony ka tsy ifampiandrasana fa manao izay tokony hataony hatrany ny Faritra Analamanga izay tantanany.