SALON DE L'HABITAT.
Androany Alahady 22 Novambra 2020 dia nisy ny fitsidihan'ny Governoran'ny Faritra Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy ny Salon de l'Habitat tetsy amin'ny Zone Forello Tanjombato.
Izao no natao dia satria tafiditra ao anatin'ny tetikasan'ny Faritra ny fanorenana fotodrafitrasa maro isaky ny Distrika toy ireo birao isankarazany, sekoly ary hopitaly sns.
Misy ireo traikefa nalaina nandritra ity hetsika ity satria dia mivoatra hatrany ny teknika fanaovan-trano ankehitriny.