Andron'ny 8 martsa 2021

Nentin'ny Faritra Analamanga nankalazana ny 8 Martsa 2021 izay andron'ny vehivavy dia nisy ny fambolen-kazo notanterahina teny amin'ny lalam-baovao Tsarasaotra ka zanakazo 10.000 no novolena tamin'izany.
Fikambanam-behivavy maro, ny mpiasan'ny Faritra Analamanga, ny avy amin'ny Primatiora, mpiasan'ny Ministera isan-karazany, vadin'ny Polisy ary ireo fikambanana maro manohana ny Filoham-pirenena toy ny Tgv avy amin'ny boriboritany 6, ny TMH sns, no nanatantanteraka izany teny an-toerana.
Rehefa vita ny fambolenkazo dia nisy ny korana niarahana tamin'ireo artista tonga teny an-toerana toa an'i Dah'mama, Stephanie, Mia, Ry Kalavazo, Suspence.
Fankalazana ny andron'ny vehivavy no natao sady fanatanterahana ny vinan'ny Filoha Andry RAJOELINA handrakotra ala an'i Madagasikara.

 

08/03/21