
|
Momba ny any Atsimo :
Fitsaboana sy fanampiana ara-tsakafo, akanjo fitafy, fanampiana ara-bola...
- Hanangana foto-drafitrasa hapetraka eny an-toerana. (toeram-pitsaboana,rano fisotro madio, toby fanarenana ara-tsakafo, fitarihan-drano.)
- RN 13 : Hamboarina avokoa io lalana io manomboka ny taona vaovao 2021.
- Hanangana Kianja manara-penitra.
Fepetra 15 andro manaraka :
Mbola mitohy ny ady amin'ny fihanaky ny covid-19 eto Madagasikara.
- Foanana ka tsy misy intsony ny couvre feu manerana ny Nosy.
- Manao aro vava-orona ny rehetra.
- Mbola voarara ny famoriana vahoaka mihoatra ny 200
- Azo atao ny fifaninanana ara-panatanjahantena fa tsy mihotra ny 200 ny mpanatrika.
- Mbola voarara ka tsy azo atao ny fanaovana famadihan-drazana.
|
- Misokatra hatrany ny fitaterana (taxi-brousses) manerana ny Nosy ary ny sarandalana dia tsy miakatra.
- Mitohy miasa ny fiara karetsaka fa tsy itondrana olona mihoatra ny 3.
- Mitohy ny fisokafan'ny sidina anatiny fa manao test 48 ora mialoha sidina ny mpandeha.
- Efa misokatra ny sidina avy any ivelany mampitohy an'i Nosy Be.
- Azo atao ny mamoaka na mampiditra ny razana raha voamarina fa tsy matin'ny covid-19.
- Misokatra hatrany ny toeram-pivavahana sy mosqué fa manaraka ny fepetra rehetra ara-pahasalamana.
- Manaja ny fepetra ara-pahasalamana ny olona rehetra ary miara-misalahy handresy ny valanaretina CoronaVirus.
Mijoro hatrany aho ary tsy mikely soroka fa hiady sy hanampy ireo mponina anatin’ny Kere eto Madagasikara hoy ny Filoha Andry Rajoelina.
|
Fandaharana manokana avy any Berongo, Kaominina Ankariera - Tolagnaro, Faritra Anôsy.
Ny tena mahafinaritra ahy dia ny mitondra fanampiana, mitondra zavatra mahasoa, mahatsara ny tokantrano tsirairay avy. Mahatratra 30.000 ar ny fandanian’ny tokantrano iray eto Aloalovoky amin’ny fividianana solitany atao jiro izay tsy tena mazava akory. Koa nizarana ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro izy ireo mba tsy hiaina anaty haizina intsony fa mba hisy hazavana ao an-tokantranony.
|