AMBATONDRAZAKA. 23.10.20
Tonga aty Ambatondrazaka Faritra Alaotra Mangoro io maraina io, 23 oktobra 2020, ny Filoha Andry RAJOELINA.
Nanotrona ny Filoha aty an-toerana ihany koa ny Governoran'ny Faritra Analamanga Hery RASOAMAROMAKA satria faritra mifanolo-bodirindrina amin'Analamanga i Alaotra Mangoro ka maro be ireo ifandraisana sy ifamenoana.
Feno dia feno ny fandaharam-potoanany taty an-toerana satria zava-bita maro sy asa eo andalam-panamboarana no tokanany sy tsidihiny amin'izany toy ny fanavaozana ny seranam-piaramanidin'i Feramanga - Ambatondrazaka.
Nitsidika ny fanamboarana ny RN44 ihany koa ny Filoha ka nojerena manokana tamin'izany ny Pont Kafe any an-toerana.
Nisy koa ny fitsidihany ny fanamboarana ny Kianja Manarapenitra Rasolonjatovo ao Ambatondrazaka sady toerana nanombohana ny fizarana Vatsy Tsinjo ho an'ny mponina noho ny fiantraika'ny olana ara-pahasalamana nateraky ny Covid-19.
Misy ihany koa ny fizarana famatsiambola ho an'ireo tetikasa voafidy ao amin'ny Fihariana.
Vita io maraina io koa ny fanokanana ny EPP manarapenitra ary ny fizarana ny kits solaires sy ny "Hazavana ho anao" ho an'ny mponina ao amin'ny Distrika.
Mbola maro ny fandaharam-potoana hotanterahina ny tolakandro.
|