Ny 22 Oktobra 2020 tolakandro dia nidina tany Anjozorobe ny Governoran'ny Faritra Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy nifampidinika sy nitafa tamin'ireo olom-boafidy rehetra tato amin'ny Distrikan'Anjozorobe nahitana ny ben'ny tanana 19 sy ny Filohan'ny mpanolon-tsainan'ny Tanàna.
Nivoitra tamin'ny dinika nifanaovana ny resaka fampandrosoana ho tanterahina ato amin'ny District.
Ho entina hanatanterahana izany dia hamafisina ny resaka fitsinjaram-pahefana izay tafiditra ao amin'ny velirano faha-12 ny Filoha Andry RAJOELINA ka hentanina ireo olom-boafidy rehetra hanangana ny Rafitra fakan-kevitra ifotony (Structure locale de concertation) ka izay hevitra tapaky ny rehetra no tanterahina amin'ny asa fampandrosoana.
Nohamafisin'ny Governora fa tsy ho faralahiny sy tsy hadino toy ny teo aloha intsony ny distrikan'Anjozorobe amin'ny asa fampandrosoana.
Maro ny fangatahana nataon'ireo ben'ny Tanàna amin'ireo asa fampandrosoana any amin'ny tanànan'izy ireo avy toy ny lalana, sekoly tohodrano sy ny sisa, ary maro ihany koa no novalian'ny Governora fa hotanterahana avy hatrany satria efa mifanandrify amin'ny teti-bolan'ny Faritra ary tsy dia vola be ny hanatanterahana ireo nefa hiteraka fampandrosoana goavana any an-toerana.
Nohamafisin'ny Governora ihany koa fa tsy mifidy antoko ny fampandrosoana ny tanàna satria ny fampandrosoana an'i Madagasikara dia miainga avy eny ifotony ka mila miara-miainga ny kaominina rehetra ato Analamanga raha tiana hotanteraka izany fampandrosoana an'i Madagasikara izany.
Marihina fa miatrika fiofanana momba ny "Gestion Financière et Budgétaire des Communes" mandritra ny 4 andro, iarahana amin'ny Ministeran'ny Fitatanam-bola ireto olom-boafidy ao Anjozorobe ireto.
|