Agriculture et élevage

AMBOHITROMBY ANKAZOBE

EFA MIASA NY TOHODRANO VAOVAO
Efa miasa ary efa misitraka ity tohodrano natolotry ny Faritra Analamanga ity ny mpamboly sy mpiompy trondro 200 mahery any Miantsoarivo Maroanana Kaominina Ambotromby Distrikan' Ankazobe.
Efa "finitions" sisa no hovitain'ny orinasa mpanatanteraka ny asa ary efa miasa tsara ilay tohodrano amin'izao fotoana izao.

 

29/03/24


AMBOHITROMBY ANKAZOBE

Nidina tany amin'ny Commune Ambohitromby distrika Ankazobe ireo teknisianina avy teto amin'ny Faritra Analamanga, ny 11 janoary 2021, nijery ny fizotry ny  asa fanamboarana tohodrano sy lakandrano hitarihana ny rano ho tonga any amin'ireo mponina hisitraka izany.
Asa izay iandraiketan'ny Faritra Analamanga manontolo ao Miantsoarivo Maroanana .
Mponina sy mpiompy trondro tsy latsaky ny 200 no hisitraka ity tohodrano ity afaka volana vitsy ankoatra ireo tantsaha izay tena mivelona amin'ny fambolena eny ambanivohitra.

29/03/24


TOHODRANO ANTSAHADINTA

Toy izao ny fizotry ny asa fanamboarana ny tohodrano ao Antsahadinta, Antananarivo Atsimondrano

29/03/24


TOHODRANO AO MAROANANA ANKAZOBE, 03 NOVAMBRA 2020


Izao hitantsika amin'ny sary izao ny fizotry ny asa fanamboarana ny barrage izay hanondraka velaran-tany maro sy hanome rano ho an'ny mpiompy trondro efa ho 200 mahery any Maroanana Ankazobe.
Hita amin'ny sary ihany koa ny "partiteur" amin'ny tatatra hitondra ny rano.
Mizotra tsara ny asa ary inoana fa ho tratran'ny orinasa tompon'ny asa ny fotoana napetraka.
 

29/03/24


FAMBOLEN-KAZO TENY AMBALAVAO ATSIMONDRANO, 27 FEBROARY 2021

FAMBOLEN-KAZO 2021
Ho fanatanterahana ny Vinan'ny Filoha hoe :"Ho rakofantsika ala i Madagasikara" dia nanatanteraka fambolena zana-kazo 20 000 fototra teny amin'ny kaominina Ambalavao Atsimondrano niaraka tamin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy izay notarihan'ny Minisitra ny Faritra Analamanga sy ny Governora ary ireo mpiara miasa aminy ny sabotsy 27 febroary 2021.
Zanakazo "volo" ay "polonia" no novolena tamin'izany noho ny fakan'izy ireo zay tena mitana rano tokoa.
Natao izao fiaraha-miasa izao satria tato amin'ny Faritra Analamanga no natao ny fambolen-kazo ary koa eny Analamanga Park kaominina Ambalavao no hatao ilay "vitrine" momba ny fambolen-kazo sy ilay "laboratoire" momba izany

29/03/24


TOHODRANO AO MAROANANA ANKAZOBE, 19 Novambra 2020

Toy izao ny fizotry ny asa fanamboarana ny barrage izay hanondraka velaran-tany maro sy hanome rano ho an'ny mpiompy trondro 200 mahery any Maroanana Ankazobe.
Tonga tany an-toerana ny teknisianina ato amin'ny Faritra Analamanga nijery ny fizotry ny asa sy ny lafiny ara-tekinika.
 

29/03/24


TOHODRANO MAROANANA, 06 oktobra 2020

Androany 06 oktobra 2021 no notanterahana ny "implantation" sy ny "batardeau" amin'ny tohodrano (barrage) ao amin'ny Fokontany Miantsoarivo Maroanana Kaominina Ambohitromby Distrikan'Ankazobe.
Tohodrano hanome rano ny dobo fiompiana trondro miisa 200 sy hanondraka tanimbary 120Ha.
Mirefy 1km200 ny lakandrano hajariana avy eo amin'ny toho-drano ka hatrany amin'ireo toerana hovatsiana rano ireo. Nitarika ny iraka avy amin'ny Faritra Analamanga ny Sekretera Jeneraly Ravomanana Vincent.
Velom-pisaorana ny ben'ny tanàna sy ny mponina misitraka ity tohodrano ity satria hatramin'izay dia tohodrano vita tanana no teo izay matetika vaky ka mampananosarotra amin'ny asa fiveloman'izy ireo. Tamin'ity fotoana ity ihany koa no nanolorana kidoro 10 ho am'ny CSB II sy dabilio 60 ho an'ny sekoly ao an-toerana hiatrehana ny fidiran'ny mpianatra.

29/03/24


Masomboly sy fitaovam-pamokarana, Ambohimanarina 04 Aogositra 2021

MITOHY HATRANY NY FANAMPIANA IREO TANTSAHA
Ny Faritra Analamanaga dia tsy mitsahatra ny mijery manokana sy manampy ireo tantsaha.
Nisy àry ny fanolorana masomboly voafantina, angadinomby, sarcleuses ho an'ireo tantsaha eny amin'ny Boriboritany faha-6 eny Ambohimanarina, kaominina Antananarivo Renivohitra.
Notolorana kidoro eponges ihany koa ny CHRD Ambohidroa.
Nanolotra izany tamin'ny anaran'ny Faritra Analamanga ny DAF ato amin'ny Faritra ary nandray ireo fitaovana ireo tamin'ny anaran'ny vahoakan'Ambohimanarina ny Solombavambahoaka sy ny solotenan'ny tantsaha.

29/03/24


FIERMADA 2021

Notanterahina teny amin'ny Kianja Maki Andohatapenaka ny 04 hatramin'ny 08 Aogositra 2021 ny andiany faha 22 ho an'ny FIERMADA

29/03/24


FANAMPIANA NY MPAMOKATRA SY MPANODINA RONONO, 11.09.2020

Mbola tsy ampy ny vokatra ronono eto Madagasikara ary matetika dia misedra olana ny seha-pihariana sakafo.
 Manoloana izany dia nisy ny tohana nentina tamin’ny alalan’ny CASEF ho an’ ireo Tantsaha misehatra eo amin’ny fihariana ronono izay mivondrona ao amin’ny MDB (Madagascar Dairy Board) mba ho fampiroboroboana ny vokatra ronono sy  omby vavy be ronono.
-Mpiompy mpanentana miisa 37 no nisitraka « kit » izay ahitana:
▪︎ Bisikileta, 
▪︎Ruban zoométrique ▪︎Combinaison 
▪︎Fitsapàna hafanana
▪︎Baoty 
▪︎Fanindronana omby.
 -Mpiompy miisa 750 ihany kosa no nisitraka sinin-dronono mahazaka 30 litatra, izay manaraka ny fenitra ary manamora ny fitaterana ny vokatra. 
-Mpiompy avy amin’ny faritra Analamanga, Vakinankaratra ary Itasy no nisitraka izao tohana izao, izay natao indrindra mba hanatsarana hatrany ny vokatra, sy  hahamatihanina azy ireo hatrany ary indrindra ho fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Notanterahina teny amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono teny Ampandrianomby izany fanolorana izany ary  nanome voninahitra ny fotoana ny Governoran'ny Faritra Analamanga izay nambara fa mahavelom-bolo ny fanampiana ny mpiompy omby toy izao.
Nambarany fa rehefa niantso ny Gouvernoran'i Vakinankaratra ny tenany dia nanamafy ny Governora fa tsy marina ary tsy mitombona ny filazana fa tsy misy mpandray ny ronono vokatra ao Vakinankaratra ka izany no antony nanariana ny ronono tany Antsirabe, satria maro ireo orinasa mandray ny ronono ary tsy maharaka aza ny mpiompy amin'ny filàn'ny mponina sy ny orinasa any an-toerana.
 

29/03/24


Fanadiovana lakandrano : Fiombonana-Andranonahoatra-Ambohidraprto-Ankadimanga, 24 Septambra 2021

Teny Fiombonana, Antananarivo Atsimondrano indray no nanao ny asany ireo fitaovan'ny Faritra Analamanga nanadio sy nisikotra ary nanabe ireo lakandrano izay mitondra rano ho an'ireo kaominina manodidina toa an'Andranonahoatra, Ambohidrapeto ary Ankadimanga.

29/03/24


Tonga ireo ombivavy beronono nafarana tany Frantsa, 05 oktobra 2021

OMBIVAVY BE RONONO 165 NAFARANA AVY ANY FRANTSA

Tonga tetsy Ivato ny talata  5 Oktobra 2021 tolakandro ny fiaramanidina Boeing 747-412 an'ny Kompania Air Atlanta Icelandic, nitondra ireo ombivavy be ronono miisa 165 avy any Frantsa izay nafaran’ny fitondram-panjakana mba ho fampiroboroboana ny lalam-pihariana ronono eto Madagasikara. Tsiahivina fa tsy mbola maharaka ny filàn’ny vahoaka ny famokarana ronono eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Araka ity tetikasa napetraky ny Filoha Andry RAJOELINA ity dia antenaina hiakatra 10% ny fihinanan’ny Malagasy iray ronono. Izany hoe raha 5 hatramin’ny 7 kg isan’olona isan-taona dia ho lasa 6 hatramin’ny 8 kg isan’olona isan-taona satria afaka manome ronono 26 litatra isanandro ireto karazany vao tonga ireto, raha toa ka 15 litatra isanandro no vokarin’ireo fahita ao amin’ny FIFAMANOR Antsirabe izay handray an-tanana azy ireto. Tsy maintsy hatoka-monina 40 andro nefa ireto omby vavy vao tonga ireto mba hisorohana ny mety ho fiparitahan'ny areti-mandringana raha misy. Hihatsara ihany koa manomboka izao ny taranaka ombivavy be ronono azo avy amin’ireto omby ireto ary hitombo manaraka izany ny famokarana ronono ho an’ny Malagasy.

Tonga nanotrona ny Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA, nandray ireto ombivavy ireto teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Minisitra Lefitra misahana ny Fiompiana, ny Governoran'Analamanga, ny Préfet de Police Antananarivo.

 

29/03/24


Tsenabe FEPA 2021

Nosokafana androany 15 oktobra 2021 ary haharitra hateloana ny FEPA 2021  na ny Tsenaben'ny Fiompiana sy ny Jono ary ny Fambolena. Isan'ireo manam-pahefana tonga teny an-toerana nandritra ny fanokafana ofisialy ny Governoran'Analamanga.

29/03/24


Lakandrano Fiombonana Ankadimanga, 20 décembre 2021

Fanadiovana ny lakandrano FIOMBONANA- ANDRANONAHOATRA-AMBOHIDRAPETO-ANKADIMANGA

Toy izao ny nampiasana ny fitaovan'ny Faritra Analamanga nanadio sy nisokitra ary nanabe ireo lakan-drano izay mitondra rano ho an'ireo Kaominina manodidina an'Andranonahoatra, Ambohidrapeto ary Ankadimanga, any amin'ny distrikan'Antananarivo Atsimondrano.

29/03/24


Fambolen-kazo, Mandrosoa Ankazobe, 25 febroary 2022

Natomboka tamin'ny fomba ofisialy tao Mandrosoa Ankazobe, 25 Febroary 2022

Natomboka ny Zoma 25 Febroary 2022 tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny fokontany Mandrosoa, distrikan' Ankazobe ny fambolenkazo ho an'ny Faritra Analamanga amin'ity taom-pambolena ity. Hiparitaka maneraka ny distrika hafa ato Analamanga izany avy eo.
Velaran-tany 5 ha no novolen'ny mpiasa ao amin'ny Faritra Analamanga sy ny mponina eny an-toerana zanakazo 5500 fototra.
Araka ny Vinan'ny Filoha Andry RAJOELINA hoe : "Rakofantsika hazo i Madagasikara" dia entanina ny isan-tokantrano mba hamboly hazo satria ho an'ny taranaka fara sy dimby no anaovana izany.
Isaorana ny vondrona Eoroperanina nanampy tamin'ny fanatanterahana ity tetikasa Afafi ity " hoy Rasoamaromaka Hery, Governoran'ny faritra Analamanga.
Mpiara-miombon'antoka maro no nanampy tamin'ny fanatanterahana izany toy ny STOI izay nanolotra zezika 2.5 T, BACE, UCS, Action Intercoopération Madagascar (AIM), Planète Urgence, CIRAD, PARTAGE, Lycée ary ny CEG Ankazobe III ka isaorana manokana.
Isan'ny toerana malaza amin'ny doro tanety ny ao Ankazobe ka isan'ny tetika nampiasaina tamin'ity voly hazo ity ny fambolena ireo zanakazo eny amin'ny tanin'olona manokana ka ho azo antoka ny fanaraha-maso azy ireo. Nentanina ihany koa ny rehetra hamboly hazo fihinamboa satria sady azo hotazana no miaro ny tontolo iainana.
Tonga tany an-toerana nanatanteraka izao fambolekazo izao ny solombavambahoaka avy ao amin'ny distrikan'Antananarivo voalohany, fahatelo ary fahaenina. Teny an-toerana ihany koa ny Solombavambahoakan' Ankazobe sy ny ben'ny tanàna any an-toerana.

29/03/24


Recrutement Ingénieur Agricole

Ny Faritra Analamanga dia mitady  INGENIEUR AGRONOME IRAY

29/03/24


FAMBOLEN-KAZO TAO VATOMANDRY, 28 JANVIER 2023

VELIRANO FAHA 10
Madagasikara rakotra ala no tanjona
Ho fanantanterahana ny Velirano faha-10 dia ny fandrakofana ala an'i Madagasikara dia nandray anjara tamin'ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo tao Tanambao sy Seranandavitra, kaominina ambanivohitra Ilaka Est, distrikan'i Vatomandry ny Governoran'Analamanga sy ireo ekipan'ny Faritra Analamanga, ny sabotsy 28 janoary 2023.
Nitarika izany hetsika fambolen-kazo sy nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2023 tany an-toerana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Velaran-tany mirefy 100Ha no nanombohana izany taom-pambolen-kazo izany ka ny 75Ha izay nambolena zanakazo miisa 120.000 dia nifarimbonan'ireo olona maro tonga tany an-toerana. Ny 25Ha kosa dia nampiasana ny "drone" nandatsaka ireo voa hazo zanatany milanja 280kg. 
Ny taompam-bolenkazo eto Analamanga kosa dia hotanterahina ny 7 Febroary ho avy izao eny amin'ny Kaominina Masindray.

29/03/24


TANINKETSA INDOSTRIALY, MANJAKANDRIANA 09 Février 2023

Famokarana tantely manara-penitra
Natolotry ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy, ho an'ny Kaoperativan'ireo tantsaha mivelona amin'ny sehatra fiompiana tantely ao Manjakandriana androany 09 febroary 2023 ny fitaovana avy amin'ny fitondram-panjakana mba hanodinana ny tantely ho vokatra manara-penitra sy azo amidy.
Fanokafana ny taninketsa Indostrialy eto amin'ny Faritra Analamanga izao ka ny Distrikan'i Manjakandriana no nisitraka izany voalohany. Tonga nanatrika izao fotoan-dehibe ho an'ny Faritra Analamanga izao ny Governora hery Rasoamaromaka sy ny mpiara-miasa aminy.
Nambaran'ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana tamin'izany fa hita ato amin’ny faritra Analamanga ny ankamaroan’ny fihariana, indrindra ny fihariana fototra dia ny fambolena sy ny fiompiana. Mahafantatra tsara izany ny Filoham-pirenena ary izay no antony nividianan’ny fanjakana itony milina hanodinana vokatra avy hatrany ety ifotony itony. Ho an’ny distrikan’i Manjakandriana manokana dia samy manana mpiompy tantely avokoa ireo kaominina 25 mandrafitra azy.
Izao no natao dia fanatanterahana hatrany ny Veliranon'ny Filoha Andry RAJOELNA amin'ny famoronana asa sy fampananana asa ny vahoaka eny ifotony hoy ny Governoran'Analamanga.
Marihina fa distrika maro eto Madagasikara no hotolorana itony fitaovana itony.
 

29/03/24


Festival de l'agriculture et écologie, 07-08 juillet 2023

FAMPIROBOROBOANA NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
Notanterahina ny 07 sy 08 Jolay 2023 tetsy amin'ny "New Para Ivato" ny hetsika "Festival de l'agriculture et écologie" andiany faha 2. Hetsika izay karakarain'ny "Ecovillage Madagascar" ho entina hampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana.
Ity hetsika ity dia isan'ny tafiditra amin'ny fanatanterahana ny Velirano faha 6, 7, 9 n'ny Filoha Andry RAJOELINA ka noho izany indrindra no nahatonga ny faritra Analamanga nanampy ny mpikarakara sy ny mpampiranty ka dia naloan'ny Faritra Analamanga avokoa ny hofan'ny tranoheva rehetra hanaovana ny fampiratiana.
Marihina fa ny fambolena sy ny fiompiana dia isan'ny fanohitra lehibe amin'ny Fampandrosoana ny Firenena.

29/03/24