Social

Fiaraha-miasa PNUD-Analamanga, 21 février 2024

Fiatrehana ny loza sy tandindon-doza voajanahary, 21 février 2024
Notanterahina androany 21 febroary 2024 teto amin'ny Faritra Analamanga eto Ambohidahy ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny Faritra Analamanga sy ny PNUD ((Programme des Nations Unies pour le développement), izay nosoloan'Andriamatoa Jean-François Dubuisson, Représentant Résident Adjoint, tena.
Fiaraha-miasa izay hiompana manokana amin'ny Fitantanana ny loza sy tandindon-doza na "gestion de risque et catastrophes", ka nanomezana ny Faritra Analamanga fampitaovana mitentina 200 tapitrisa Ariary.
Tafiditra tao anatin'izany ny fanoloran'ny PNUD fitaovana maro toy ny motopompes, motos, borety, tentes sy ny hafa koa, hiatrehana sy hisorohana ny fiantraikan'ireo karazana loza voajanahary maro mihatra eto amin'ny Faritra Analamanga.
Nambaran'Andriamatoa Jean-François Dubuisson fa tanjon'ny PNUD ny ahafahan'ny mponina miatrika ny loza ka isan'izany ny fiakaran'ny rano, ary voakasik'izany ny Faritra Analamanga indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra. Tsy maintsy ptohanana noho izany ireo tompon'andraiki-panjakana mba ahafahan'izy ireo manampy ny mponina amin'ny fiatrhana ny ambana sy ny loza.
Nambaran'ny Governora Hery Rasoamaromaka nandritra ny lahateniny fa tonga ara-potoana tokoa ireto fitaovana ireto satria efa ao anatin'ny fahavaratra isika izao, ka maro ny toerana misy rano miakatra sy traboina indrindra fa eny amin'ny Faritra iva izay hisitraka tsy ho ela ireto fanampiana ireto. Notsiahiviny fa ny Faritra Analamanga dia efa nanomboka niasa nitroka ireo rano be teny amin'ny faritra tondraka tamin'ny alalan'ny fitaovana efa nananan'ny Faritra Analamanga.
Ny Faritra Analamanga dia mampita ny fisaorana ho an'ny PNUD ary mbola misokatra ho amin'izay endri-piaraha-miasa sy sehatra rehetra mba ho fampandrosoana an'Analamanga.

21/02/24


Fiatrehana ny fidiran'ny mpianatra, 24 aout 2023

FANAMPIANA NOHO NY FIDIRAN'NY MPIANATRA
Mba ho fanamaivanana ireo ray aman-dreny mpiara-miasa ato amin'ny Faritra Analamanga amin'izao fidiran'ny mpianatra izao nanolotra fitaovam-pianarana ho an'ireo ray amandreny rehetra mpiara-miasa ny Governora sy ny mpitantana  ao amin'ny Faritra Analamanga, ny 24 aogositra 2023.
Tso-drano tsotra no atolony ho an'ireo ankizy mpianatra notolorana izany dia ny hoe "mahaiza fianarana sy mitomboa fahaizana sy fahalalana ary fahendrena hatrany".

25/08/23


Fizarana vatsy tsinjo - Ambatobe, 29 juillet 2023

Mitsinjo ny vahoaka hatrany ny fitondram-panjkana

Ho fanampiana ny Vahoaka Malagasy dia natomboka tamin'ny fomba ofisialy ny marainan'ny sabotsy 29 jolay 2023, tetsy Ambatobe ny fizarana Vatsy Tsinjo ho tantsoroka ho an'ny mponina eto Antananarivo sy ny faritra rehetra eto Madagasikara. Tonga nanotrona izany teny an-toerana izay fokontany fonenany rahateo ny Filoha Andry RAJOELINA.
Nambaran'ny Filoha nandritra izany fizarana izany fa somary gaga aho, hoy izy, raha nahita anareo vahoaka marobe nilahatra izay mitondra harona kely avokoa. Ny miaraka amiko hoy ny Filoha, tsy harona kely fa GONY avy hatrany fa efa fomba fanao fahiny izany.
Nambaran'ny Filoha ihany koa fa mbola maro ny fanomezana sy fanampiana hatolotry ny Filoha ho an'ny vahoaka sahirana sy ny vahoaka malagasy rehetra.
Marihina fa ity andro ity dia nifanindry indrindra tamin'ny andro nankalazan'ny Filoha mivady ny tsingerintaona nanamarihana ny fanambadian'izy mivady ka izao no nentiny nanamarihana izany.
Ny avy ato amin'ny faritra Analamanga dia mandray anjara amin'ny fizarana manerana ny boriborin-tany eto Antananarivo.

29/07/23


Asaramanitra, 24 juin 2023

FANOMEZANA NOHO NY ASARAMANITRA.

Tsy hadinon'ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka, ny nanoltra fanomezana ho an'ny mpiasa ao amin'ny Faritra Analamanga amin'izao fahatongavan'ny tsingerintaona faha-63 niverenan'ny Fahaleovantena izao. Hafaliana ho ahy, hoy ny Governora ny manolotra izao satria mendrika ny hifaly toy ny Malagasy rehetra ny mpiasan'ny Faritra sy ny fianakaviany.

Ny solontenan'ny mpiasa kosa no nitondra ny fisaorana avy amin'ny mpiasa rehetra sy nirary soa ho an'Andriamatoa Governora sy ny fianakaviany. Taorian'izay dia nifanome fotoana ny rehetra fa ho avy eny Mahamasina hankalaza ny fetim-pirenena sy hanotrona ny Filoham-pirenena amin'ny 26 jona 2023 satria tsy havela handalo foana izany fotoan-dehibe ho an'ny firenena izany.

24/06/23


Famangiana ireo niharam-boina tetsy Behoririka, 02 avril 2023

ADIDY FITSAPANA ALAHELO SY FAMANGINA. 02.04.2023
Taorian'ny loza izay nitranga tetsy Behoririka ka namoizana ain'olona 5 tao amin'ny tokatrano 3 dia tonga nanao adidy namangy sy nitsapa alahelo an'ireo fianakaviana 3 samy hafa ny Faritra Analamanga ary nirary fahasalamana haingana ho an'ireo mitsabo tena.
Ny Faritra Analamanga dia teo hatrany vao niseho ny loza ary mbola eo hatrany ihany koa raha misy ny azo ifanampiana.
Ho lasa an'izay ny ratsy rehetra.

02/04/23


Trano nirodana tetsy Behoririka, 31 mars 2023

TRANO NIRODANA TETSY BEHORIRIKA, 31.03.2023
Manoloana ny firodanan'ny trano iray etsy Behoririka (lot IVD 75) tamin'ny 4 ora maraina ka nahafatesana olona, Ny Governoran'ny Faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka, sy ireo mpiara-miasa aminy ato amin'ny Faritra Analamanga dia maneho ny fiaraha-miory amin'ireo namoy havana ary mirary fahasalamana haingana ho an'ireo maratra.
Ny mpiasa ato amin'ny Faritra Analamanga dia efa eny an-toerana hatramin'ny vao mangirandratsy manampy ireo mpamonjy voina manohy ny fikarohana ny olona mbola voatsindin'ny trano mihotsaka ao mifarimbona amin'ireo mpamonjy voina sy ny mpitandro filaminana ary ireo tompon'andraiki-panjakana samihafa.

Ity trano ity dia marihana fa efa nanomezana baiko fa tokony horodanina SAINGY mbola niadivan'ny tompony teny amin'ny tribonaly mba tsy harodana kanjo dia izao nitranga izao ny loza.
Hatramin'ny telo tolakandro teo dia olona 8 no efa eny amin'ny hopitaly ary olona 4 no mbola tadiavina.
Vatana mangatsiaka  2 no efa hita.

31/03/23


Famonoana an'i Allan teny Andavamamba Ilanivato, 10 février 2023

Tsy mitazam-potsiny ny Governoran'Analamanga

Taorian'ny habibiana nihatra tamin'dRamatoa Prisca ka namohizana ny ain'i Allan zanany izay zaza 10 taona, ny zoma 10 febroary 2023, dia nidodododo sy namangy ary nitondra ny teny fankaherezana azy teny Ilanivato Andavamamba ny Governora Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa aminy.
Olona 5 no efa tratra tamin'ity raharaha sy habibiana namonoana an'i Allan ity izay ny mpanampiny no isany nampiditra ireo jiolahy tao an-trano.
Mbola mitohy ny fisamborana sy ny fanadihadiana ary manaraka izany akaiky ny tenako amin'ny maha Governora ny Faritra ahy, hoy ny Governora Hery Rasoamaromaka.
    Taorian'ny famangiana dia nararaotin'ireo mponina teny an-toerana ny nitafa tamin'ny Governora, nilazany ny olana manjo azy ireo eny an-toerana ka isan'izany ny rano tsy mety mivoaka, jiro fanazavana ny lalan-kely ,ny fanamboarana ireo lalan-kely ary ny fandriampahalemana 
↔️Ho an'ny rano dia hita fa ireo fanorenana tsy manara-dalàna eny ambony tatatra no tena olana hany ka lasa sarotra ny fivoahan'ny rano eo amin'ny C3.
↔️Ny jiro hanazava sy ny lalan-kely indray dia ho jeren'ny Faritra Analamanga akaiky ny hamahana ireo olana ireo faran'izay haingana.
Marihina fa izay jiro apetraka amin'ny poteaux eny an-toerana dia torahan'ireo jiolahy hatrany ka hitady ny fomba hafa hiarovana izany isika.
↔️Ho an'ny fandriam-pahalemana dia efa nisy ny dinika natao tamin'ireo polisy teny an-toerana ka hojerena akaiky sy haingana ny momba izany.
Tsy sanatria nanararao-paty akory ireo mponina fa fotoana toy ireny no tena ahitana ny zava-misy any anelakelatrano rehetra any sy ahafahana mitafa mivantana amin'ny mponina ka hamahana ny olany, hoy hatrany ny Governora.
 

11/02/23


Fiarahabana tratry ny taona, 09 janoary 2023

Notanterahana ny 09 janoary 2023 teto amin'ny toeram-piasana teto Ambohidahy ny fananganan-tsaina voalohany niarahana tamin'ny mpiasa rehetra ato amin'ny "Faritany" Ambohidahy.
Fotoana izay nanomezan'ny Governora, Hery Rasoamaromaka, tsodrano sy fankaherezana ary fisaorana ho an'ny mpiasa rehetra.
Fisaorana, hoy ny Governora, satria tsapa ny ezaka nataon'ny rehetra nandritra iny taona 2022 ary ny fiaraha-miasa tsara tamin'izy ireo no nahazoana ny vokatra.
Fankaherezana satria mbola maro ireo asa miandry indrindra ho an'ity taona 2023 ity.
Noho ny tonon-taona vaovao dia nisy ny fanomezana natolotr'ireo mpiasa ho mariky ny fiarahabana koa nisaotra sy nankasitraka indrindra noho izany FITIAVANA LEHIBE INDRINDRA hita maso izany ny Governora.

09/01/23


Fandraofana fako Antananarivo Renivohitra, 14 décembre 2022

Mitohy hatrany ny tan-tsoroka sy fanampiana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ataon'ny Faritra Analamanga amin'ny fanalana ireo fako mivangongo eto Antananarivo Renivohitra.
Miasa andro aman'alina ireo camions sy ireo "engins" an'ny Faritra amin'izany asa izany.
Tsara marihina fa fanampiana no ataon'ny Faritra Analamanga noho ny maha tanàna iraisana an'Antananarivo Renivohitra.
MIASA HO ANAO NY FARITRA ANALAMANGA.

14/12/22


Fandraofana fako Antananarivo Renivohitra, 10 décembre 2022

"FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANAO"

FANDRAOFANA FAKO ETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA
Rehefa volana Desambra toy izao dia misedra olana ny fanangona ny fako eny amin'ireo dabam-pako maro eto Antananarivo Renivohitra noho ny fiakaran'ireo voankazo maro amin'izao vanim-potoana izao.
Ho fanampiana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin'ny fandraofana ireo fako ireo sy hanadiovana ny tanàna dia nirotsaka an-tsehatra ny Faritra Analamanga, ka "tracks" 2 sy camions 5 no nahetsiky ny Faritra amin'izao hetsika izao.
Toerana maro toy ny teny Ambatoroka, Andranomena, Ambodimita, Ambodihady, Ambatolampikely Ambohibao no nanombohana izany ny zoma 11 desambra 2022 tontolo andro ary nitohy ny alina, ary mbola nitohy nandritra ny faran'ny herinandro.
Ny solika nampiasain'ireo "engins" sy "camions" ireo dia ny Faritra Analamanga ihany koa no niantoka azy.
 

12/12/22


Fananganan-tsaina 24 octobre 2022

Toy ny isaky ny Alatsinainy dia nisy androany 24 oktobra  2022 ny fananganan-tsaina nataon'ny Faritra Analamanga ho an'ireo olona rehetra miasa ato amin'ny "Faritany" Ambohidahy.
Nandritra ny fampiakaran-tsaina fanao dia nisy ny fanomezana tsy nampoizina natolotry ny Governora Hery Rasoamaromaka ireo izay tonga nanatrika izany fampiakaran-tsaina izany : vary 1 gony sy atody maromaro.
Tsy ny mpiasan'ny Faritra Analamanga irery no nahazo ireto tolotra tampoka tsy nampoizina ireto fa teo koa ireo mpiasa avy amin'ny sampandraharaham-panjakana hafa toy ny Polisy miasa eo amin'ny Faritra sy mpiasan'ny CIM.

24/10/22


Fizarana kopia faobe, Tanjombato 04 Jolay 2022

Notanterahina tetsy Tanjombato ny fizarana Kopia faobe ho an'olona 600 tao amin'ny Fokontany 5 ao amin'ny Kaominina Tanjombato, distrikan'Antananarivo Atsimondrano.
Izao hetsika izao dia niarahana tamin'ny mpiara-miombon'antoka amin'ny Faritra Analamanga dia ny Organisation Internationale de la Francophonie na ny OIF.
Nambaran'ny Governoran'Analamanga Hery RasoamaromakaNatao fa natao izao hetsika izao ho famahana olana ireo olona tsy manana izany satria marihana, hoy izy, fa ny fananana Kopia dia tena antoka ho an'ny olona manomboka amin'ny fahazazany izay ahafahany manomboka mianatra ary ho an'ny olon-dehibe mba hananany karapanondro ahafahany miasa sy manefa ny adidiny amin'ny firenena toy ny fifidianana. Nisaorany manokana ihany koa ny OIF amin'ny fiaraha-miasa toy izao.
Marihana fa Kaominina maro ato amin'ny Faritra Analamanga no anatanterahana izao hetsika izao ary mbola mitohy hatrany ny fiaraha-miasa miaraka amin'ny OIF izay mpiara-miombon'antoka amin'ny Faritra.

04/07/22


Birao fiasan'ny OJM etsy Ambohidahy, 03 mai 2022

Nifanandrify indrindra tamin'ny "andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety", 03 may 2022, dia natolotry 'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO sy ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Analamanga Mbola RATSIHAROVALA RAMESY izay nisolo tena ny Govenora, tamin’ny fomba ofisialy ny birao fiasan’ny Holafitry ny mpanao gazety etsy Ambohidahy.
Taorian'ny fangatahana fiaraha-miasa nataon'ny  Filohan'ny Holafitry ny mpanao gazety RASOLOARISON Harimbola Monica dia nanolo-tanana ny Faritra Analamanga nanamboatra sy nanavao ny trano mba hahafahan'ny OJM miasa.
Ny trano sy tany etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy dia an'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina fa ny fanatanterahana ny fanamboarana sy fanavaozana ny trano kosa dia nosahanin'ny Faritra Analamanga.
Tsapan'ny Faritra Analamanga fa manana anjara toerana lehibe eo amin'ny fampandroasoana ny Firenena ny asa fanaovan-gazety ka noho izany indrindra no tsy nihafahafan'ny avy ato amin'ny Faritra Analamanga nanampy azy ireo amin'ny fanamboarqna ity birao ity mba hahafahan'ny OJM mandrindra ireo mpanao gazety amin'ny fanaparitahana vaovao marina sy marimpototra amin'ny fomba haingana.

03/05/22


Fandraofana fako eto Antananarivo Renivohitra

Taotrano tsy efan'ny irery. Izay mitambatra vato. Mita be tsy lanin'ny mamba.
Ho fanampiana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia natomboka ny alin'ny 25 aprily 2022 ny fandraisana anjara ataon'ny Faritra Analamanga amin'ny fandraofana ireo fako eto Antananarivo Renivohitra. Nanomboka tamin'io alina io dia nalefa ireo "engins" sy "camions" an'ny Faritra Analamanga nanao ny asa fanangonana ny fako.
Fa ny fitiavana no lehibe indrindra.

26/04/22


8 mars 2022 Analamanga : Nomarihina teny Betongolo

FANKALAZANA NY 8 MARTSA 2022.
Nankalazaina tetsy amin'ny Kianjan'ny Betongolo androany 08 martsa 2022 ny "andro iraisam-pirenena ho an'ny Zòn'ny Vehivavy" tato amin'ny Faritra Analamanga.
Fikambanam-behivavy maro no tonga nanotrona izany fankalazana izany teny an-toerana izay notronon'ireo manampahefana maro isan'ambaratongany ka ny Solombavam-bahoaka Vehivavy voafidy teto Antananarivo faha-3, Ramatoa Rafenomanantsoa Aina no nisolo tena azy ireo nandray fitenenana.
Nisy moa ireo tranoheva nampiratiana sy nivarotana ireo vokatra sy asatanan'ireo vehivavy sy fikambanam-behivavy maro. Taorian'ny hetsika teo Betongolo dia nisy ihany koa ny fizarana fanampiana ho an'ireo fikambanam-behivavy sy zokiolona vehivavy tao amin'ny Kianja mitafo Besarety.

"Ny Fitoviana ankehitriny, antoky ny ho avy mamiratra". Io no teny filamatra nentin'ny Faritra Analamanga nanamarihana ny andron'ny vehivavy tamin'ity taona ity. Ny fanamarihana ofisialin'ny andron'ny vehivavy ho an'ny Faritra Analamanga dia hotanterahina any Antanetibe-Mahazaza, distrikan'Ambohidratrimo, ny Talata 15 martsa 2022. Marihina fa ny Faritra Vakinankaratra no nandray ny fanamarihana nasionaly ka ny teny novohizina tamin'izany dia ny hoe "Viavy miavotse, miatrika sy mifanampy, taratry ny fitovian-jo sy  antoky ny fampandrosoana lovain-jafy".
 

08/03/22


Fizarana Kopia ho an'ny zaza

Fizarana kopia ho an'ny zaza tsy mbola manana izany
Noho ny fiaraha-miasa misy eo amin'ny Faritra Analamanga sy ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF), dia manatanteraka fizarana kopia ho an'ireo ankizy mbola tsy manana izany ny Faritra Analamanga. Olona miisa 17742 no hisitraka izany ka ny 90%n'ireo dia ankizikely avokoa ary ny 68%n'izany dia ankizivavy.
Kaominina telopolo eo ho eo ato amin'ny Faritra Analamanga no anaovana ny fitsarana mitety vohitra ka voakasika amin'izany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny sistrikan'Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Manjakandriana, Anjozorobe, Ankazobe, Andramasina ary Ambohidratrimo.
Ny 15 desambra 2021 no natomboka tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny Kaominina Talata-Volonondry, distrikan'Antananarivo ny hetsika fizarana kopia ka ankizy 300 no nisitraka izany tamin'io fotoana io.
Amin'izao fotoana izaao dia efa maro ireo antontan-taratasy fangatahana kopia kirakiraina miaraka amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana ka havoaka tsy ho ela mba hisitrahan'ny zaza malagasy ny zony.
Isan'ny taratasy takiana raha hangataka didim-pitsarana misolo kopiam-pahaterahana ny :
- Taratasy Fanamarinam-ponenana misy ny zaza
- Karapanondron'ny raiamandreny
- Karapanondron'ny vavolombelona roa
- Bokim-pianakaviana (livret de famille) raha vita soratra ny ray sy renin'ilay zaza, na Taratasy fanjanahana avy amin'ny rainy raha tsy vita soratra izy mivady
- Certificat de visite somatique
- Demande de jugement.
Raha tsiahivina dia ny 11 novambra 2021 no natao tetsy Ambohidahy ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin'ny Faritra Analamanga sy ny Organisation Internationale de la Francophonie pour l'Océan Indien. Nisolo tena ny roa tonta tamin'izany ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka sy ny Masoivohon'ny OIF Léonard Emile Ognimba. Famatsiam-bola mitentina 187 944 000 Ar no nosoniavina tamin'izany izay tetikasa hifarana ny 22 Jona 2022.

14/02/22


Fanampiana traboina tao Ambatolaona, 12 Febroary 2022

Notanterahina ny 12 febroary 2022 fanolorana fanampiana ho an'ireo trabona tao amin'ny Kaominina Ambatolaona, distrikan'i Manjakandriana, vokatry ny rivodoza Anna sy Batsirai araka ny toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA.
"...Sambany nisy fitondram-panjakana nijery anay tety ifotony hoy ireo vahoaka..."
Nihoatra lavitra noho ireo olona tanaty lisitra tokony nisitraka izany no nahazo fanampiana tamin'ity fotoana ity, soa fa nisy ny ambiny ka dia nahazo avokoa ireo olona na tsy traboina aza, rehefa nahita ireo trabona nilahatra ka nomena avokoa izay tonga teo an-toerana.

12/02/22


Fanampiana ho an'ny mpiara-miasa Faritra Analamanga, 11 Febroary 2022

FANAMPIANA IREO MPIARA-MPIASA EO ANIVON’NY FARITRA ANALAMANGA
Araka ny efa nampanantenaina dia tonga nitondra fanampiana ho fitsinjovana ny maha olona ho an'ireo mpiara-miasa ato amin'ny Faritra Analamanga isika androany, 11 febroary 2022. Izao no natao dia entina hitsinjovana ny maha olona sy hanampiana ireo mpiasa nandritra ny voina niseho teto amin'ny Firenena sy teto Analamanga tamin'ny rivodoza iny, hoy ny Governora.

11/02/22


Fanampiana traboina Soavimasoandro, Alasora, Ambohimanambola 28 janoary 2022

Nitohy androany 28 janoary 2022 ny iraka nampanaovin'ny Filoha Andry RAJOELINA ny Governoran'Analamanga sy ny Minisitra Tinoka Roberto ho fanampiana ireo tra-boina tany amin'ireo toerana maro eto Antananarivo.
Androany dia teny Soavimasoandro, boriborintany fahadimy sy Alasora distrikan'Antananarivo Avaradrano ary Ambohimanambola, distrikan'Antananarivo Avaradrano no naleha.
...

28/01/22


Fanampiana traboina Ambodihady, Ambodimita, Andranomena ary Bemasoandro, 26 Janoary 2022

Ambodihady, Ambodimita, Andranomena ary Bemasoandro, 26 Janoary 2022

Nitohy hatrany ny iraka nampanaovin'ny Filoha Andry RAJOELINA ny Governoran'Analamanga sy ny Minisitra TINOKA Roberto amin'ny fanaterana fanampiana ho an'ireo traboina.
Fokontany maro toy ny teny Ambodihady, Ambodimita, Andranomena ary Bemasoandro Itaosy no nanatanterahana izany ny alarobia 26 janoary 2022.
Nandray ny fanampiana ary nitsinjara ny fanampiana teny amin'ny Boriborintany faha enina ny Solombavambahoaka ary ny Ben'ny tanàna sy ny Lehiben'ny Distrikan'Antananarivo Atsimondrano ny tetsy Bemasoandro.
Aoka isika ho malina hatrany fa tsy ho sodoka ny andro mihatsara satria fotoana toy izao no mahabe ny trano sy tany mihotsaka, hoy ny Governora Hery Rasoamaromaka.

26/01/22


Fanampiana traboina tao Anatihazo sy Antetezana Afivoany, 25 Janvier 2022

Fokontany Anatihazo sy Antetezana Afivoany

Nitohy teny amin'ny fokontany Anatihazo sy Antetezana Afivoany, androany 25 janoary 2022 ny iraka nampanaovin'ny Filoha Andry RAJOELINA ny Governora Hery Rasoamaromaka sy ny Minisitra Tinoka Roberto izay notronin'ny solombavambahoaka voafidy teny amin'ny Boriboritany Voalohany amin'ny fijerena ireo traboina teny an-toerana noho ny fiakaran'ny rano.
Nisy ny vary natolotra ireo traboina mitoby ao amin'ny EPP tao amin'ireo Fokontany ireo izay hataon'izy ireo sakafo noho ny tsy fahafahana miasa ankehitriny.
Nentanina hatrany ireo traboina sy ny mponina teny an-toerana mba ho mailo sy hitandrina amin'ny rano miakatra.
Nisy ihany koa ny fanentanana ireo mponina mba hisoratra ara-dalana eny amin'ny fokontany ary haka ny carnet vaovao satria efa nanambara sy nampanantena ny Filoha fa hanome vatsy tsinjo ho an'ireo olona traboina rehetra tsy anavahana.
Nandritra izany fotoana izany dia nisy tetezan-kazo izay nangatahan'ny mponina teny Antetezana Afivoany fanamboarana satria efa simba ka tsy mahazaka olona intsony ka tsy hiandrasana ela izany fa hamboarina tsy ho ela

25/01/22


Fanampiana traboina tao Anosizato Andrefana, 24 Janvier 2022

Nidina ifotony namonjy ireo traboina ny Governoran'Analamanga niaraka tamin'ny Ministry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro, Tinoka Roberto, sy ny Solombavambahoaka ao Atsimondrano Andry Ratsivahiny, ny alatsinainy 24 janoary
Ny antoandro dia teny Anosizato Andrefana izay ahitana traboina 6.200 ary nitohy teny Tanjombato Ambohimanatrika izany ny tolakandro izay ahitana traboina 5.476.
Nisy ny fanolorana vary, menaka, savony sy izay ilaina amin'ny fiainana andavanandro ho sakafo ho an'izy ireo, tolotra avy amin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Nisy koa ny fangatahan'ny mponina ao Ambohimanatrika noho ny faharatsian'ny lalana izay tena mamaha olana ho an'ny mponina, ka hatao lalana rarivato miala eo amin'ny Sampanana TvPlus miazo ny tetezana Tanjombato, ary hasiana jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro manazava ny lalana izay hatao rarivato.

24/01/22


FANOMEZANA HO AN'NY MPIASA

Noho ny fetin'ny Noely sy ny faran'ny Taona dia notanterahina androany tao amin'ny Biraon'ny Faritra Analamanga etsy Ambohidahy ny fizarana fanomezana ireo mpiasa rehetra ho entin'izy ireo hanao fety.
Vary 50 kg, akoho, menaka 2 litatra , siramamy , savony ary voamaina no natolotra tamin'izany.
Ny tenako dia mirary fety sambatra ho an'ireo mpiasa sy isika rehetra.

24/12/21


ZAZA TSY MANANA KOPIA, Talata Volonondry 15 décembre 2021

FAMAHANA NY OLAN'NY ZAZA TSY MANANA KOPIA

Notontosaina androany, 15 Desambra 2021, tany Talata Volinindry, distrikan'Antananarivo Avaradrano ny fanombohan'ilay tetikasa fanomezana sora-piankohonana (kopiam-pahaterahana) ho an'ny zaza miisa 17.742 ato amin'ny Faritra Analamanga izay tsy manana izany. 300 amin'ireo no.ato amin'ny KaomininaTalata Volonondry.
Kominina 27 no hisitraka izany ato amin'ny Faritra Analamanga.
Fiaraha-miasa sy famatsiam-bola mitentina 187.944.000 Ar avy amin'ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) izy ity.
Tonga tany an-toerana nanamarika ny fanombohana izany tetikasa izany Andriamatoa Léonard Émile Ognimba izay Masoivohon'ny OIF eto amintsika.
Famahana olanan'ny vahoaka izy ity satria ny tsy fananana kopia dia miteraka sakana lehibe ho an'ny olom-pirenena, manomboka amin'ny fahazazany ka tsy ahafahany mianatra ary mitohy any amin'ny fahalehibeazany ka tsy ahafahany miasa sy misitraka ny zo maha olom-pirenena azy toy ny fifidianana.
Nambaran'ny Governoran'Analamanga nandritra ny fandraisany fitenenana fa mbola fanombohana ity fiaraha-miasa ity ka hanao ny tena mangarahara ny Faritra Analamanga amin'ny fitantanana izany vola izany.

 

15/12/21


Centre Médical Akany Rasalama, 25 Novambra 2021

ASA SOSIALY SY FAHASALAMANA ATO AMIN'NY FARITRA ANALAMANGA

Notokana androany alakamisy 25 Novambra 2021 ny Centre Médical AKANY RASALAMA etsy amin'ny FJKM AMBOHIPOTSY.
Marihana fa toeram-pitsaboana ho an'ny vahoaka rehetra tsy manavaka finoana izy ity izay azo itsaboana aretina maro. Misokatra 24 ora amin'ny 24.
Ny Faritra Analamanga no nanao ny trano izay nahazoana alalana avy amin'ny Minisitera mpiahy satria izao asa izao dia tafiditra ao amin'ny asa iandraiketan'ny Faritra miompana amin'ny sosialy sy ny fahasalamana ho an'ny daholobe.
Ny Masoivohon'ny Firenena Allemagne kosa no niantoka ny fitaovana sy ny fanafody hampihodinana ity toeram-pitsaboana ity.

25/11/21


Fiaraha-miasa amin'ny OIF, 11 novambra 2021

 ZAZA TSY MANANA KOPIA 17.742 HISITRAKA NY ZONY

Ho famahana ny olan'ny zaza tsy manana kopia eto Analamanga dia nisy androany ny fanaovana sonia fiaraham-iasa teo amin'ny Faritra Analamanga sy ny Organisation Internationale de la Francophonie ho fanomezana kopia ny zaza Malagasy ato amin'ny Faritra Analamanga, ka nanoloran'ity fikambanana ity vola mitentina 187 944 000 Ar.
Nisolo tena ny Organisation Internationale de la Francophonie pour l'Océan Indien nandritra izao fanaovantsonia izao Andriamatoa LEONARD EMILE OGNIMBA izay masoivohon'ny OIF.
Zaza tsy manana kopia 17.742 ato Analamanga no hisitraka kopia amin'ity tetikasa vita sonia ity. Nambaran'ny Governoran'Analamanga nandritra ny fandraisany fitenenana fa mbola fanombohany ity fiaraham-iasa ity ka hanao ny tena mangarahara ny Faritra Analamanga amin'ny fitantanana izany vola izany.

 

11/11/21


Fanadiovana CUA 19 Oktobra 2021

Ny Faritra Analamanga dia nanolotra fitaovana maro toy ny "tractopelle" nentina nanadiovana sy nisokirana ireo tatatra maro teto Antananarivo hiomanana amin'ny fiavian'ny fahavaratra mba hisorohana ny fiakaran'ny rano.

19/10/21


Fanadiovana lakandrano Fiombonana-Andranonahoatra-Ambohidrapeto-Ankadimanga, 24 Septambra 2021

FANADIOVANA LAKANDRANO AO FIOMBONANA- ANDRANONAHOATRA-AMBOHIDRAPETO-ANKADIMANGA.

Teny Fiombonana, Antananarivo Atsimondrano indray no nanao ny asany ireo fitaovan'ny Faritra Analamanga nanadio sy nisikotra ary nanabe ireo lakandrano izay mitondra rano ho an'ireo kaominina manodidina toa an'Andranonahoatra, Ambohidrapeto ary Ankadimanga.

24/09/21


Fanomezana fotsim-bary ho an'ny polisy

FANOMEZANA HO AN'NY POLISY.

Fotsimbary 20 kitapo milanja 1 taonina no natolotry ny Faritra Analamanga ho an'ireo polisy miasa ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka etsy Ambohidahy. Natao izao mba ho fanampiana sy fankaherezana azy ireo amin'ny ezaka fitandroana ny filaminana nandritra ity hamehana ara-pahasalamana ity. Nanolotra izany, nisolo tena ny Governora ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Analamanga notronin'ny Talen'ny Kabinetra sy ny PRMP.

30/08/21


Hosoka amin'ny sarimihetsika malagasy

Tonga tetsy Ambohidahy nihaona tamin'ny Governora Hery Rasoamaromaka androany 30 aogositra 2021 ireo mpamokatra horonantsarimihetsika Malagasy taorian'ny antso avo sy fitarainana nataony tamin'ny Filoham-pirenena. Tamin'ity fihaonana ity no nanehoan'izy ireo ny fitarainany mikasika ny asa ratsy ataon'ireo mpanao hosoka amin'ny asa vokarin'izy ireo.

Nambaran'izy ireo àry ny alahelony mikasika ireo tena mpamokatra film hosoka (Gros bonnet) izay efa in-4 voasambotry ny mpitandro ny filaminana ao amin'ny BAP (Brigade Anti-Pirate) eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsina saingy votsotra hatrany ary mbola manohy ny asa ratsiny sady manambotry sy mamono ny asa fiveloman'izy ireo.

Maro amin'ireo mpamokatra film Malagasy no efa maty antoka ka tsy nanohy ny asa intsony ary ireto sisa tavela ihany koa dia efa manomboka ho kivy.

Nolazain'izy ireo fa 30 mn ka hatramin'ny ora 1 aorian'ny hivoahan'ny Film vaovao Original dia efa miparitaka ihany koa ny film pirate ary raha 2000 Ar ka hatramin'ny 3000 Ar ny originale dia 800 Ar no ivarotan'ity mpamokatra film pirate ity.

Taorian'ny dinika dia nanome toky ny Governora fa hitondra ny anjara birikiny mba hamongorana sy hanasaziana mafy ireto olona mpangalatra ireto.

30/08/21


Fizarana Kopia fahaterahana tao Anosiavaratra, 28 Jolay 2021

Noho ny fiaraha-miasan'ny Faritra Analamanga sy ny Kaominina Anosiavaratra ary ny tribonaly dia vita ny fizarana kopia miisa 66 teny Anosiavaratra, distrikan'Antananarivo Avaradrano.
Nanolotra ny fisaorana  feno ho an'ny Faritra Analamanga ny Ben'ny Tanàna noho ny fahatontosan'izao hetsika izao, satria tonga amin'ny fotoana tena ilaina azy ity hetsika ity noho ny fidiran'ny mpianatra efa antomotra.
Nisolo tena ny Governoran'Analamanga teny an-toerana nandritra ny fotoana fanolorana izany ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Analamanga, Ravomanana Vincent.
Marihina fa andiany voalohany ihany ity hetsika ity fa eo am-pikarakarana ny andiany faharoa ny Faritra Analamanga amin'izao fotoana izao.

28/07/21


Birao FJKM, nihaona tamin'ny Governora, 28 may 2021

Noraisin'ny Governoran'Analamanga, nihaona taminy ny 28 may 2021, tetsy amin'ny Birao fiasany Ambohidahy, ireo solotenan'ny Birao FJKM.
Nodinihana sy niaraha-nijery ireo mety ho fiaraha-miasa azo atao ho fampandrosoana satria ny Fiangonana dia manana anjara toerana lehibe amin'ny fampandrosoana ny Firenena.
Nisolo tena ny Birao FJKM tamin'izany ny Tonia, ny Filoha Lefitra Mpitandrina ary ny Filoha lefitra Laika.
Nifanome toky ny roa tonta fa hotohizana ny fiaraha-miasa efa nisy ary hojerena ireo fiaraha-miasa vaovao azo atao sy hotanterahina.

28/05/21


Famendrahana Analakely sy Fenoarivo Alakamisy, 20.05.2021

Mitohy hatrany ny famendrahana fanafody ataon'ny Faritra Analamanga hiadiana amin'ny valan'aretina Covid-19
Vao mangiran-dratsy tamin'ny 5 maraina dia teny Analakely no nanombohana izany ary nitohy teny amin'ny Kaominina Fenoarivo sy Alakamisy, distrikan'Atsimondrano izany. Toerana maro toy ny biraon'ny commune sy trano fianarana ary tsena no nofendrahana fanafody virokil tamin'izany.
Isika rehetra miara-miady amin'ny valan'aretina Covid-19.

20/05/21


Fanomezana kobakatsaka, 29 aprily 2021

Ny Faritra Analamanga dia nanolotra koba katsaka 200 kitapo ho an'ny mpisehatra eo amin'ny fiahiana  ny marefo sy ankizy tsy misy mpiahy.
Mpisehatra ara- tsosialy maro no nahazo izany.
 

29/04/21


Antanimora, 17 avril 2021

Araka ny fangatahan'ny chef d'établissement ny fonja fitazomana ny ankizy tsy ampy taona (13-17taona) na ny "quartier mineur" etsy Antanimora dia nanolotra :
-Tsaramaso 300kg (3x100)
-Koba katsaka 150 kg (3x50)
- Savony 200 isa 
- CVO 2 sacs 
Ho an'ireo voafonja miisa 107 ny Faritra Analamanga.
Nitombo ny isan'izy ireo ka tsizarizary ny sakafo. 
Ho fitsinjovana azy ireo ihany koa amin'ny valan'aretina dia nomena CVO sy savony izy ireo.

17/04/21


Famendrahana fanafody tao Andoharanofotsy

FARITRA ANALAMANGA MIADY AMIN'NY COVID-19.
Andoany 02 aprily 2021 dia nitohy teny amin'ny Kaominina Andoharanofotsy ny famendrahana fanafody hiadiana amin'ny fihanaky ny valan'aretina Covid-19 ka tao amin'ny Biraon'ny kaominina, FJKM Mahalavolona, Fiangonana Loterana sy Katolika, CSB II, biraon'ny zandary ary ny tsena teny Andoharanofotsy sy Iavoloha no nanatanterahana izany.

02/04/21


Famendrahana fanafody Ambohimanarina sy Talatamaty

Mbola mitohy hatrany ny famendrahana fanafody nataon'ny Faritra Analamanga hiadiana amin'ny fihanaky ny Covid-19 any amin'ireo toerana ifamezivazen'ny olona maro eto an-drenivohitra.
Teny amin'ireo sites "kaly tsinjo"  teny Ambohimanarina, ny tsena Talatamaty ary tao amin'ny biraon'ny kaominina Talatamaty no nanatanterahana izany androany 26 martsa 2021.

26/03/21


Ady amin'ny Covid-19, Famendrahana ranom-panafody, 23 martsa 2021

23 martsa 2021

FARITRA ANALAMANGA MIADY AMIN'NY COVID-19
Manohy ny asa efa fanaony ny Faritra Analamanga entina mamongotra ny valan'aretina ka niverina MAMENDRAKA ranompanafody tamin'ireo toerana be olona mpivezivezy toy ny tsena.
 Ireo tsena mahavory olona betsaka no nosafidiana tamin'izany toy ny teny amin'ny Pavillons Analakely androany, hitohy eny Soamanatombo, Isotry, Andravoahangy, Anosibe, Ambohimanarina sy ireo ahitana tsena eto andrenivohitra.
Mety hisy toerana iverenana indroa arakaraky ny fahabetsahan'ny olona miantsena izany rehefa vita ireo noeritreretina hasiana ranompanafody.
Nosafidiana manokana ny tsena noho izy ifamezivezen'ny olona maro. Manentana hatrany ny eto anivon'ny Faritra Analamanga ny mba hitandreman'ny tsirairay fa misy ary mihamahery vaika ny aretina.
Manamafy ny voalazan'Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina ny eto amin'ny Faritra Analamanga.

 

23/03/21


Fananganan-tsaina 01 MARTSA 2021

Amin'izao volana vaovao izao dia nirary soa sy nampIrisika ireo mpiara-miasa rehetra ato amin'ny faritra Analamanga sy ato amin'ny Biraon'ny.Faritany Ambohidahy ny Goverinora mba hilofo hatrany amin'ny fanatanterahana ny asa sy andraikitra apetraky ny vahoaka amin'izy ireo.
Tsy hadinony ny mirary soa sy ny tsara ary fahasalamana ho azy ireo eo ampanatanterahana izany adidy sy andraikitra izany nandritra ny fanangana-tsaina ny alatsinainy 01 martsa 2021

01/03/21


Fanalana fako Antananarivo Renivohitra

NY FARITRA ANALAMANGA NANAMPY NY COMMUNE URBAINE ANTANANARIVO AMIN'NY FANALANA FAKO.
Ny Faritra Analamanga dia nanolotra fitaovana "engin" hampiasain'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ahafahan'ireo ekipan'ny SAMVA miasa alina manatanteraka ny asany antsakany sy andavany amin'ny fanalana haingana ireo fako miavosa.
Isika rehetra hiaraka hientana hamerina amin'ny laoniny ny hasin'ny tananàntsika sy ny Faritra Analamanga

 

22/02/21


Famendrahana fanafody tao amin'ny Lycée Moderne Ampefiloha

Mitohy hatrany ny ady atao amin'ny fijhanaky ny Covid-19 ato amin'ny Faritra Analamanga. Tsy eny andalam-be na eny an-tsena ihany fa hatrany amin'ny toeram-pianarana ihany koa. Tao amin'ny Lycée Moderne Ampefiloha àry no namendrahana ranom-panafody ny 03 febroary lasa teo.

03/02/21


Fananganan-tsaina

   Androany maraina 1 Febroary dia nisy ny fananganan-tsaina notanterahana tato amin'ny tranoben'ny Faritany eto Ambohidahy niarahana tamin'ny mpiasan'ny Faritra sy ireo  sampandraharam-panjakana rehetra miasa ato amin'ny Faritany Ambohidahy.
  Nitarika izany ary nandray fitenenana ny Governoran'ny Faritra ary nambarany fa ity volana vaovao ity dia fiasana mafimafy sy bebe kokoa hatrany mba hampandroasoana ny Faritra sy ny Firenena. Nisaorany manokana ireo mpitandro ny filaminana amin'ny fanentanana sy fanenjehana ary fanasaziana ireo olona tsy manao aro vava-orona mba hisorohana ny fihanaky ny tsimok'aretina Covid-19. Nentaniny manokana ihany koa ireo mpiara-miasa rehetra indrindra ireo mandray olona hampihatra hatrany ireo fihetsika sakana mba hiarovan-tena sy hiarovana ny hafa.

 

01/02/21


Natsangana ny Comité Régional de Vigilance Sanitaire

Notanterahana tao amin'ny biraon'ny Faritra Analamanga Ambohidahy ny 29 janoary 2021 ny fivoriana fananganana ny Comité Régional de Vigilance Sanitaire ho an'ny Faritra Analamanga.
Nitarika ny fivoriana ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra, Ravomanana Vincent, nanatrika izany ireo Talem-paritry ny Ministera rehetra eto Analamanga.
Ny tanjona dia ny ahafahana mandray fepetra haingana sy mandray andraikitra manoloana ny fiparitahan'ny valan'aretina Covid-19.
Nandray anjara tamin'izany ihany koa ireo olom-boafidy sy olom-boatendry teto Analamanga.
Filoha mpitarika io komity io ny Governoran'ny Faritra Analamanga ary Filoha mpiara-mitantana ny Préfet.
 

29/01/21


Tonga ny Vary Tsinjo

Tonga teto Antananarivo androany 26 janoary 2021  ny ampahany voalohany amin'ireo VARY TSINJO 7000 tonnes izay hamidy 500 Ar ny Kapoaka ary hitohy isan'andro ny fahatongavan'izany. Isaorana ny Filoha Andry RAJOELINA amin'izao ezaka sy hetsika ataony izao mba hamahana ny fahasahiranan'ny vahoaka.
Raha ny hita teny an-toerana dia voasokajy ho isan'ny vary tsara kalitao izy ireto ary tsy misy fofona sy tsy lena araka ny vohizin' ny mpanohitra.
Hanomboka haparitaka eny amin'ireo tsena eny amin'ny fokontany amin'ity herinandro ity ihany ireo vary ireo.
Ny Faritra Analamanga dia isany hanaramaso ny fitsinjarana azy ireo mba hialana amin'ny mpanararaotra.

 

26/01/21


Ady amin'ny fihanaky ny Covid-19

Mitohy hatrany ny famendrahana fanafody hiadiana amin'ny otrik'aretina Covid-19 ataon'ny Faritra Analamanga eny amin'ireo toerana be olona eto Antananarivo Renivohitra.
Androany 26 janoary 2021 dia toerana maro ifamezivezen'ny olona maro no nanatanterahana izany dia :
   - Tsenabe Isotry
   - Tsenabe Ambodinisotry
   - Tsena petite vitesse. 
Ny Governoran'ny Faritra Analamanga dia manentana antsika hatrany amin'ny fiarovan-tena izay fiarovana ny hafa ihany koa indrindra ny fanaovana aro vava orona.
 

 

26/01/21


Famendrahana fanafody teny Ambohipo

ADY AMIN'NY FIHANAKY NY OTRIK'ARETINA COVID-19.
Nitohy teny amin'ny cité Universitaire  Ambohipo androany maraina ny famendrahana fanafody (désinfection) nataon'ny Faritra Analamanga mha hiadiana amin'ny fihanaky ny otrik'aretina Covid-19.
Miisa 125 blocs no voafendraka fanafody androany.
Entoana dia entanina hatrany isika mba hanaja  ireo fepetra rehetra ara-pasalamana hiarovan-tena sy hiarovana ny hafa amin'ity areti-mandoza mamely izao tontolo izao ity indrindra indrindra ny fanaovana aro vava orona (cache bouche).
 

 

21/01/21


Famendrahana fanafody teny Analakely sy Antaninarenina

ADY AMIN NY ARETINA CORONAVIRUS.
FIHANAKY NY OTRIK'ARETINA COVID-19.
Manoloana ny fitomboan'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Covid-19 eto Analamanga dia nisy androany maraina (19 janoary 2021) ny famendrahana fanafody (désinfection) ireo toerana maromaro izay fifamezivezen'ny mponina eto an-drenivohitra ka nanombohana izany vao mangiran-dratsy ny teny amin'ny manodidina an'Antaninarenina sy Analakely.
Hitohy isan'andro izao famendrahana fanafody amin'ny toerana be olona eto an-drenivohitra izao ary hitatra any amin'ireo Distrika hafa ato Analamanga izany.
Entoana dia entanina hatrany isika mba hanaja  ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana hiarovan-tena sy hiarovana ny hafa amin'ity areti-mandoza mamely izao tontolo izao ity indrindra indrindra ny fanaovana aro vava orona (cache bouche).

 

19/01/21


Fananganan-tsaina 18 janoary 2021


Nandritra ny fandraisam-pitenenana tamin'ny fananganantsaina androany maraina dia nampahatsiahy ny Governoran'ny Faritra Analamanga fa mbola misy ny tsimok'aretina Covid-19 ary nanentanany ny rehetra sy ireo mpiasa ato amin'ny faritra mba hitandrina ary hampiasa ny "fihetsika sakana" indrindra ny fampiasana "cache bouche".
Nisaorany manokana ihany koa ny polisim-pirenena tamin'ny asa nataony sy mbola hataony amin'ny fanentanana sy fanasaziana ireo izay tsy manao "cache bouche".
 

18/01/21


Olo-manankaja maro no tonga niarahaba ny Governora teny Ambohidahy

Ambohidahy 13.01.21
Nitohy androany Alarobia tato Ambohidahy ny famangian'ireo sokajin'olona maro ny Governoran'ny Faritra Analamanga noho ny tonon-taona ka nitondran'izy ireo ny teny firarian-tsoa noho ny taona vaovao 2021 
Nohamafisin'ireo nandray fitenenana hatrany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa matotra amin'ity taona vaovao ity.
Ny Governora moa raha namaly azy ireo dia namerina ny fiarahabana sy ny firariantsoa ary nanamafy hatrany fa taonan'ny asa ity 2021 ity ka hisy ny fanampian'ny Faritra ireo sokajin'olona tena vonona hiasa marina ka hiaraka hampandroso sy hanatanteraka ireo vina sy veliranon'ny Filoha Andry RAJOELINA.
Ireto avy ireo sokajin'olona tonga niarahaba:
-Ny Commune Ambohimangakely
-AJMA
-Ireo solontenan'ny Talem-paritry ny Ministera eto Analamanga 
-Ireo Maires avy any amin'ny distrikan'Ankazobe sy ireo solontenam-panjakana sasany.
-Ny député sy ireo Maires ao amin'ny Distrika ary ireo solotenam-panjakana eny amin'ny distrikan' Ambohidratrimo.
-Ny Maires ao amin'ny Distrikan'Andramasina
-Ny Maires avy ao amin'ny Distrikan'i Manjakandriana
-Atoa Pierre Lenoble Lehiben'ny HCDDED
-Ny fikambanana TMH.
-Ny Maire sy ny mpanolontsaina ao amin'ny commune Talatamaty.

 

13/01/21


Olo-manankaja maro no tonga niarahaba ny Governora 12.01.2021

Noho ny tonon-taona dia karazana olona maro no tonga niarahaba sy nirary soa ary nanolotra fanomezana ho mariky ny fifanajana noho ny taona vaovao 2021 tao amin'ny Biraon'ny Faritra Analamanga etsy Ambohidahy.
Ireo rehetra tonga sy nandray fitenenana dia samy niarahaba noho ny fahavitana iny taona 2020 tsy maty fo aman'aina ary nirary ny soa sy ny tsara indrindra ary fahasalamana ho an'ny Taona vaovao 2021.
Nohamafisin'ireo nandray fitenenana koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa matotra amin'ity taona vaovao ity.
Raha nandray fitenenana ny Governora namaly azy ireo dia namerina ny fiarahabana sy ny firariantsoa ary nanamafy fa taonan'ny asa ity 2021 ity ka hisy ny fanampian'ny Faritra ireo sokajin'olona tena vonona hiasa marina ka hiaraka hampandroso sy hanatanteraka ireo vina sy veliranon'ny Filoha Andry RAJOELINA.
Ireto avy ireo sokajin'olona tonga androany:
-Ny Chefs Districts eto Analamanga.
-Ireo Maires 4 IRD amin'ireo Maires 16 voafidy tao Avaradrano.
-Ireo Députés IRD teto Antananarivo Renivohitra sy ireo mpiara miasa aminy.
-Ny Mpanolotsainy Commune Ambohidratrimo.
-Ny Député Andry Ratsivahiny voafidy tao Atsimondrano nitarika ny Maires 16 IRD amin'ireo 26 ary ny CB,ny Chef Cisco ary ny Commissaire Central mifehy an'Atsimondrano.
 

12/01/21


Fananganan-tsaina 04 janoary 2021

TAONA VAOVAO 2021
TAONAN'NY ASA.

  • Androany 4 Janoary no andro fanombohan'ny asa ho an'ny Faritra Analamanga ka nanamarihana izany ny fananganan-tsaina tamin'ny 8 ora.

Nambaran'ny Governora tamin'ny fandraisam-pitenenany ny firarian-tsoa sy ny tsara indrindra ary fahasalamana ho an'ny mpiasa rehetra satria ho taonan'ny asa mafy ity Taona 2021 ity.
Nisaorany manokana ny polisimpirenena izay mpiara-miasa akaiky ato amin'ny Faritra Analamanga.

  • Noho ny tonon-taona dia nisy ny fiarahaban'ny mpiara-miasa ny Governoran'ny Faritra Analamanga ka nanoloran'izy ireo fanomezana ho mariky ny fiharahabana sy fifanajana.
  • Amin'ny maha taonan'ny asa ity taona 2021 ity dia nisy avy hatrany ny "Réunion de staff" niresahana sy namaritana ireo ASA MARO hotanterahan'ny Faritra araka ny toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA nandritra ny kabariny namaranana ny Taona.
     

04/01/21


FANOLORANA FANOMEZANA HO AN'NY MPIASA ATO AMIN'NY FARITRA.

Noho ny fahatongavan'ny fetin'ny Noely sy ny Asaramanitra dia nisy androany 22 desambra 2020 ny fanolorana fanomezana ho an'ny mpiasa ato amin'ny Faritra.
Vary 50 kilao, menaka 2 litatra, akoho gasy iray ary savony 36 no natolotry ny Governora tamin'izany.
Ny Governoran'ny Faritra Analamanga dia mirary fety sambatra ho antsika Malagasy rehetra.

22/12/20


FANOLORANANA FIARA 3 HO AN'NY KAOMININA ANDOHARANOFOTSY.

Androany 22 desambra 2020 maraina no notanterahina teny amin'ny kaominina Andoharanofotsy, distrikan'Antananarivo Atsimondrano ny fanolorana fiara 3 ho an'ny kaominina dia ambulance, fiara ho an'ny police communale ary fiara hampiasain'ny kaominina.
Izy ireo dia vokatry ny fahaiza-mitantan'ny kaominina ka nampisy vola nahafahana nividy azy ireo.
Nanotrona teny an-toerana nandritra ny fanolorana izany ny Governoran'ny Faritra Analamanga ka nandritra ny fandraisany fitenenana no nampanantenainy ny hanololotra Camion benne iray handraofana fako avy amin'ny faritra Analamanga.
Ho raisin'ny Faritra Analamanga an-tanana ihany koa ny fampiakarana rihana iray ny EPP ao Andoharanofotsy ary hatomboka ny volana  Janoary ho avy izao ny asa.
Hamboarin'ny Faritra ihany koa ny tsena manarapenitra satria tsy mbola misy tsena ara-dalàna ao an-toerana 
Nisy ihany koa ny fanolorana mari-pankasitrahana sy fanomezana ho an'ireo mpianatra 10 afa-panadinana.

22/12/20


KERE ANY ATSIMO, NANAO TOLO-TANANA NY FARITRA ANALAMANGA, 09 NOVAMBRA 2020

 
NY FARITRA ANALAMANGA MITSINJO NY KERE ANY ATSIMO
Androany 09 Novambra 2020 dia nanatitra fanampiana ho an'ireo mpiray tanindrazana amintsika tratry ny Kere any Atsimo ny Governoran'ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiasa-miasa aminy.
Izany no natao dia noho ny toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA fa mila miray hina isika Malagasy rehetra mba hamonjena ireo mpiray Tanindrazana tratry ny tsy fanjarian-tsakafo.
Vary 100 gony sy voamaina toy ny tsaramaso, voanemba, tsiasisa ary voanjombory 40 gony no natolotra tamin'izany. Nambaran'Andriamatoa Governora fa tsy mitazam-potsiny ny fahavoazan'ny havana any Atsimo ny faritra Analamanga. Nandray izany kosa ny Tale Jeneralin'ny BNGRC, ny Jeneraly Elack Olivier Andriankaja izay nampanantena fa ho tody any amin'ireo havana sahirana any Atsimo ireo fanomezana ireo
 

 

 
   

 

09/11/20


Marais Masay, nodiovina mba hisorohana ny tondra-drano

Contrôle des Travaux de nettoyage du Bassin Sud Marais Masay, du Canal de l'Est et du Canal débouchant sur le Canal Andriantany. Ireo no asa notanterahina teny amin'ny Marais Masay sy ny manodidina izay nifarimbonan'ny Faritra Analamanga amin'ny fanaraha-maso ara teknika manontolo, ny  MATP, ny APIPA, ary ny CUA amin'ny Autorisation de remblai.

Tanjona :
Mba tsy hisian'ny fiakaran'ny rano amin'iny lakan-drano voalaza etsy ambony iny rehefa fahavaratra.


Asa natao nandritra ny 07 volana:
Nolavahana hatrany amin'ny 2m ireo lakan-drano ireo, ary nodiovina ny fako rehetra  izay mbola mitohy hatramin'izao. Fanadiovana sy fanalebiazana ihany koa ny "Bassin Sud" Marais Masay izay hivarinan'ny rano maloto rehetra amin'ireo lakan-drano maromaro ireo.


Misy ny lalana mirefy 2km hosokafana miala avy aty Masay mivoaka any amin'ny Cotisse Ambodivona, hialana amin'ny fitohanan'ny fifamoivoizana.

09/11/20


Vatsy Tsinjo, ANKATSO 10 Septambra 2020

BORIBORINTANY FAHA-2
ALAKAMISY 10 SEPTAMBRA 2020
KIANJA FOOT ANKATSO
Nitohy tetsy amin'ny Kianja fanaovam-baolina Ankatso ny fizarana "Vatsy Tsinjo" sosialim-bahoaka ho an'ny Boriborintany faha-2 ka olona 2068 no nisitraka izany
Ny Talen'ny Fotodrafitrasa sy ny Fampandrosoana ao amin'ny Faritra Analamanga, Andriamatoa Rabetokotany Michel no nitarika ny ekipan'ny Faritra teny an-toerana niaraka tamin'ny Fikambana FITIA ary ny ekipan'ny CRCO no nandrindra sy nandamina ny fizarana teny an-toerana izay nizotra ampilaminana.

10/09/20


Vatsy Tsinjo, ANKATSO 10 Septambra 2020

BORIBORINTANY FAHA-2
ALAKAMISY 10 SEPTAMBRA 2020
KIANJA FOOT ANKATSO
Nitohy tetsy amin'ny Kianja fanaovam-baolina Ankatso ny fizarana "Vatsy Tsinjo" sosialim-bahoaka ho an'ny Boriborintany faha-2 ka olona 2068 no nisitraka izany
Ny Talen'ny Fotodrafitrasa sy ny Fampandrosoana ao amin'ny Faritra Analamanga, Andriamatoa Rabetokotany Michel no nitarika ny ekipan'ny Faritra teny an-toerana niaraka tamin'ny Fikambana FITIA ary ny ekipan'ny CRCO no nandrindra sy nandamina ny fizarana teny an-toerana izay nizotra ampilaminana.

10/09/20


Vatsy Tsinjo, ANS Ampefiloha-TANA-I, 10 Septambra 2020

BORIBORINTANY VOALOHANY
ALAKAMISY 10 SEPTAMBRA 2020
ANS AMPEFILOHA
Nitohy hatrany tetsy amin'ny ANS Ampeliloha ny fizarana "Vatsy Tsinjo" sosialim-bahoaka ho an'ny Boriborintany Voalohany ka olona 2351 no nisitraka izany.
Ny Talen'ny Kabinetra ao amin'ny Faritra Analamanga no nitarika ny ekipan'ny Faritra teny an-toerana.Teny an-toerana ihany koa ny Minisitry ny Raharahan-bahiny.
Niara-nandrindra teny an-toerana ny Solombavambahoaka, Fikambana FITIA ary ny ekipan'ny CRCO.
Nizotra am-pilaminana ny fizarana teny an-toerana.
 

10/09/20


Vatsy Tsinjo, AMBOHIPOTSY, Tana-II 09 Septambra 2020

ALAROBIA 09 SEPTAMBRA 
BORIBORITANY FAHA2
AMBOHIPOTSY
Tetsy an-tokotanin'ny Fiangonan'ny FJKM Ambohipotsy no nizarana ny Vatsy Tsinjo Sosialimbahoaka ho an'ny Boriboritany faha-2
Olona 606 no nisitraka izany androany.
Teny an-toerana niaraka nizara sy nandrindra izany ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny ekipan'ny Faritra Analamanga notarihin'ny PRMP, ny Fikambanana FITIA ary ny CRCO Analamanga.

09/09/20


Vatsy Tsinjo, ITAOSY 08 Septambra 2020

Tetsy amin'ny Kianja Ambohobotetaka Itaosy androany no notanterahina ny fizarana "Vatsy Tsinjo" Sosialimbam-bahoaka ho an'ny Kaominina Itaosy, distrikan'Atsimondrano.
Olona 3018 avy amin'ny Fokontany 6 ato amin'ny Kaominina Itaosy no nisitraka izany dia ny fokontaniny:
Itaosy
Avarabohitra
Ambodifasika
Tsarazaza 
Ambohiparaky 
Anjakaivo 
Teny an-toerana nisolo tena ny Governora sy nitarika ny ekipan'ny Faritra Analamanga ny Sekretera Jeneraln'ny Faritra, Andriamatoa Ravomanana Vincent.
Teny an-toerana nanokatra io hetsika io ny solombavambahoaka Andry RATSIVAHINY sy ny Minisitry ny Jono sy ny Fiompiana.
Nanampy tamin'ny fandaminana ny Association FITIA.

08/09/20


Vatsy Tsinjo, COLISEUM 07 Septambra 2020

ALATSINAINY 07 SEPTAMBRA 2020
COLISEUM ATSONJOMBE
Nitohy hatrany ny fizarana "Vatsy Tsinjo " sosialim-bahoaka ho an'ny Boriborintany fahadiny ka tetsy amin'ny Coliseum Antsonjombe hatrany no nanatanterahana izany.
Olona 1487 no nisitraka. Ny PRMP ny Faritra Analamanga no nitarika ny ekipa avy ao amin'ny Faritra Analamanga.

07/09/20


Vatsy Tsinjo, ANTANIKATSAKA 07 Septambra 2020

ALATSINAINY 07 SEPTAMBRA
ANTANIKATSAKA ATSIMONDRANO
Tetsy amin'ny Kianja Antanikatsaka ny ekipa sasany avy amin'ny Faritra Analamanga izay notarihan'ny  DAF no nanohy ny fizarana Vatsy Tsinjo Sosialimbahoaka.
Olona 1421 no nisitraka izany androany.
Nizotra tsara ny fandamina ny fizarana izany izay niarahan'ny Faritra Analamanga, ny Association FITIA ary ny CRCO Analamanga.

07/09/20


Vatsy Tsinjo, COLISEUM 06 Septambra 2020

Na dia Alahady aza ny andro dia nitohy hatrany ny fizarana "Vatsy Tsinjo " sosialim-bahoaka ho an'ny Boriborintany fahadiny ka etsy amin'ny Coliseum Antsonjombe hatrany no nanatanterahana izany.
Olona 4 106 no misitraka. Ny PRMPn'ny Faritra Analamanga no nitarika ny ekipa avy ao amin'ny Faritra Analamanga.

06/09/20


Vatsy Tsinjo, 04 Septambra 2020

ZOMA 04 SEPTAMBRA 2020
Nitohy hatrany ny fizarana "Vatsy Tsinjo " sosialim-bahoaka ato amin'ny faritra Analamanga.
Niparitaka tamin'ny toerana maro ny Ekipan'ny Faritra Analamanga nizarana izany androany zoma 04 szptambra 2020 toy ny teny amin'ny Parking Senat, Kianja Bohra Anosizato, Terrain Betongolo, Coliseum Antsonjombe, Terrain USA Andranomena ary Bemasoandro.

04/09/20


Vatsy Tsinjo, Coliseum Antsonjombe 02 Septambra 2020

COLISEUM ATSONJOMBE
Nitohy hatrany ny fizarana "Vatsy Tsinjo " sosialim-bahoaka ho an'ny Boriborintany fahadiny tetsy amin'ny Coliseum Antsonjombe.
Ny Fokontany Analamahitsy Tanàna sy Manjakaray II B no nisitraka izany androany ka olona 2530 izy ireo.
Ny PRMP Faritra Analamanga no nitarika ny ekipa avy ao amin'ny Faritra niaraka tamin'ny Solombavambahoaka, Fikambana FITIA ary ny ekipan'ny CRCO Analamanga nandrindra sy nandamina ny fizarana teny an-toerana.
 

02/09/20


Vatsy Tsinjo, Coliseum 01 Septambra 2020

COLISEUM ATSONJOMBE
Nitohy hatrany ny fizarana "Vatsy Tsinjo " sosialim-bahoaka ho an'ny Boriborintany fahadiny ka tetsy amin'ny Coliseum Antsonjombe hatrany no nanatanterahana izany.
Ny Fokontany Tsarahonenana no nisitraka androany ka olona 1658 izy ireo.
Ny PRMP Faritra Analamanga no nitarika ny ekipa avy ao amin'ny Faritra niaraka tamin'ny Solombavambahoaka, ny Fikambana FITIA ary ny ekipan'ny CRCO nandrindra sy nandamina ny fizarana teny an-toerana.
 

01/09/20


Vatsy Tsinjo, ANS Ampefiloha, 01 Septambra 2020

ANS AMPEFILOHA
Nitohy hatrany tetsy amin'ny ANS Ampeliloha ny fizarana "Vatsy Tsinjo" sosialim-bahoaka ho an'ny Boriborintany Voalohany ho an'ireo olona eny amin'ny Fokontany  Andavamamba Anjezika 1 sy Ambalavao Isotry ka olona 828 no nisitraka izany.
Ny SRH ao amin'ny Faritra Analamanga no nitarika ny ekipan'ny Faritra teny an-toerana niaraka tamin'ny Fikambana FITIA sy ny ekipan'ny CRCO nandrindra sy nandamina ny fizarana. Nizotra am-pilaminana ny fizarana teny an-toerana.

01/09/20