Fitrohana rano eny Anosipatrana

AFA-PAHASAHIRANANA NY MPONINA
Efa afaka mivezivezy ny olona sy ny fiara, 28 février 2024
Taorian'ny fiakaran'ny rano ka niangonan'izany teo amin'ny arabe tetsy Anosipatrana, noho ny orambe nisesisesy teto andrenivohitra, dia nanao ny asa fitrohana ireo rano miangona ny avy ato amin'ny Faritra Analamanga.
Tsy niala teny an-toerana ny fitaovana sy ny teknisianina avy ato amin'ny Faritra Analamanga raha tsy ritra tanteraka ireo rano niangona teto amin'ny arabe sy ireo fonenana dibodrano mba hamahana ny olan'ny mponina sy ny mpampiasa lalana.
Efa ritra ankehitriny ny rano eny Anosipatrana ary efa afaka mandeha eny na ireo fiara madinika aza.
FARITRA ANALAMANGA, MIASA HATRANY HO ANTSIKA
Famoahana ny rano eny Anosipatrana, 21 février 2024
Vokatry ny fiakaran'ny rano noho ny orana nisesisesy dia mitohy ny famahan'ny avy ato amin'ny Faritra Analamanga ny olan'ny mponina.
Miasa mafy nitroka ny rano tetsy Anosipatrana ny ekipan'ny Faritra Analamanga mba tsy hampananosarotra ny fizoran'ny fiara eny amin'ny arabe sy hampidina ny rano izay misy tafiditra any an-tokatrano. Efa miasa amin'ny fitaovana eo ampelatanany ny Faritra Analamanga amin'ny famahana ny olana eny ifotony. Ankoatra izany dia manolo-tanana amin'ny fanohanana ny Faritra Analamanga ihany koa ny fikambanana iraisam-pirenena. Vita sonia tetsy Ambohidahy, ny 21 febroary 2024, araka izany ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny Faritra Analamanga sy ny PNUD na ny Fandaharan'asan'ny Firenena mikambana ho an'ny Fampandrosoana.
Toy izao kosa ny fitrohana ny rano tetsy Anosipatrana, avarina any amin'ny lakan-drano GR.
FARITRA ANALAMANGA, MIASA HATRANY HO ANAO
Fanalana ny rano eny an-tanàna sy eny amin'ny arabe, 20 février 2024
Ny Faritra Analamanga izay tarihan'Andriamatoa Governora Hery RASOAMAROMAKA sy ireo mpiara-miasa aminy dia tsy mitsahatra miasa sy manampy ny vahoaka noho ny fiakaran'ny rano.
Nanomboka ny alatsinainy 19 febroary 2024, ny Faritra Analamanga dia nanome tanana ny fokontany Ampangabe Anjanakinifolo - Ilanivato Anosipatrana - Ilanivato Ampasika - Anosizato Antsinanana, hanala ireo rano mandifotra ny lemaka sy ny lalana.
Ny rano ao amin'ny lemaka Anosipatrana-Ilanivato dia trohana hivoaka any amin'ny lakan-drano GR ka paompy matanjaka no ampiasaina amin'izany izay afaka mamoaka rano manodidina ny 60.000 litatra/ora. Ny Sefom-pokontany ao Ilanivato, Rakotoarimalala Mamy, kosa no nitondra ny teny fisaorana avy amin'ny mponina ho an'ny Governora sy ny Faritra Analamanga noho ny fanampiana azy ireo amin'izao fahasahiranana izao.
Nambaran'Andriamatoa Rija Rajaonarisoa, Chef du service logistique, ao amin'ny Faritra Analamanga fa fanombohana ihany no atao eto fa mbola maro ireo toerana hirotsahan'ny Faritra Analamanga amin'ny fanampiana ny mponina noho ireny orana nisesisesy ireny.
 

 

Mitohy hatrany ny asa fanarenana ny arabe ataon'ny Faritra Analamanga, 18 février 2024
Araka ny teny efa nomena dia manatanteraka ny fanamboarana ireo lalana ratsy nefa be mpampiasa eto Antananarivo renivohitra ny Faritra Analamanga.
Mbola eo andalam-panamboarana ireo lalana ireo isika ankehitriny ary efa voatampina avokoa ireo lavadavaka eny Namontana sy Ampasika mihazo ny "CENAM". 
Mifanindra andalana amin'izao asa fanamboaran-dalana izao ihany koa ny fisokirana ny tatatra feno fako ka miteraka rano be miangona izay tena fahavalon'ny lalana "goudron" ka mahasimba azy ireny haingana.
Efa mijery ireo lalana hafa simba ny teknisianina avy ato amin'ny Faritra Analamanga an-kehitriny.