Fifanaraham-piaraha-miasa PNUD-ANALAMANGA

Fiatrehana ny loza sy tandindon-doza voajanahary, 21 février 2024
Notanterahina androany 21 febroary 2024 teto amin'ny Faritra Analamanga eto Ambohidahy ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny Faritra Analamanga sy ny PNUD ((Programme des Nations Unies pour le développement), izay nosoloan'Andriamatoa Jean-François Dubuisson, Représentant Résident Adjoint, tena.
Fiaraha-miasa izay hiompana manokana amin'ny Fitantanana ny loza sy tandindon-doza na "gestion de risque et catastrophes", ka nanomezana ny Faritra Analamanga fampitaovana mitentina 200 tapitrisa Ariary.
Tafiditra tao anatin'izany ny fanoloran'ny PNUD fitaovana maro toy ny motopompes, motos, borety, tentes sy ny hafa koa, hiatrehana sy hisorohana ny fiantraikan'ireo karazana loza voajanahary maro mihatra eto amin'ny Faritra Analamanga.
Nambaran'Andriamatoa Jean-François Dubuisson fa tanjon'ny PNUD ny ahafahan'ny mponina miatrika ny loza ka isan'izany ny fiakaran'ny rano, ary voakasik'izany ny Faritra Analamanga indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra. Tsy maintsy ptohanana noho izany ireo tompon'andraiki-panjakana mba ahafahan'izy ireo manampy ny mponina amin'ny fiatrhana ny ambana sy ny loza.
Nambaran'ny Governora Hery Rasoamaromaka nandritra ny lahateniny fa tonga ara-potoana tokoa ireto fitaovana ireto satria efa ao anatin'ny fahavaratra isika izao, ka maro ny toerana misy rano miakatra sy traboina indrindra fa eny amin'ny Faritra iva izay hisitraka tsy ho ela ireto fanampiana ireto. Notsiahiviny fa ny Faritra Analamanga dia efa nanomboka niasa nitroka ireo rano be teny amin'ny faritra tondraka tamin'ny alalan'ny fitaovana efa nananan'ny Faritra Analamanga.
Ny Faritra Analamanga dia mampita ny fisaorana ho an'ny PNUD ary mbola misokatra ho amin'izay endri-piaraha-miasa sy sehatra rehetra mba ho fampandrosoana an'Analamanga.