Ny harivan'ny Alatsinainy 15 Novambra 2021 io ihany dia vahinin'ny Fandaharana Manokan'ny fampahalalam-baovao tao amin'ny fahitalavitra TV Plus Madagascar ny Governoran'ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka. Nohamafisiny tamin'izany fa miasa ary mihaino ny feon'ny vahoaka ny Fitondrana ankehitriny. Mikasika ny politikan'ny fanoherana kosa dia nambarany fa fankahalana ny mpitondra sy fitadiavan-tseza no mibaiko azy ireo.