Lalana RN4 - Ambohitromby - Mahavelona

Faritra Analamanga miasa ho antsika

Amperin'asa tanteraka ankehitriny ny orinasa manao ny lalan-tany mampitohy ny sampanana RN4 mankany amin'ny Kaominina Ambohitromby mipàka hatrany amin'ny Kaominina Mahavelona, any amin'ny distrikan'Ankazobe.

Tsy mikely soroka araka izany ny Faritra Analamanga amin'ny fanamboaran-dalana ato anatin'ny Faritra. Tsy ny eny Ambanivohitra ihany fa ny eny an-tanan-dehibe ihany koa.