Fanarenana ny lalana eto Antananarivo Renivohitra

Natomboka teny Ampasika, Andavamamba ary 67ha ny fanarenana ny lalana eto Antananarivo Renivohitra, 06 febroary 2024
Araka ny efa nolazain'Andriamatoa Governoran'Analamanga taorian'ny asa fandaminana ny fako tetsy Anosipatrana dia hiroso amin'ny asa fanampenana ireo lavadavaka amin'ny lalana eto Antananarivo indray ny Faritra Analamanga.
Fahasimbana izay nateraky ny orana misesisesy tato anatin'ny andro maro.
Ny lalana etsy Ampasika sy 67ha ary Andavamamba no nanombohana izany androany 06 febroary 2024.
Etoana ny «Faritra Analamanga» dia maneho ny fialan-tsiny ho antsika mpampiasa lalana noho ny fanelingelenana mandritra ny asa fanamboaran-dalana.